Politique

Hetsiky ny Mpandala ny ara-dalŕna Roso tsa hipody koa


  • Talata 24 Janoary 2012

Na dia alatsinainy aza omaly, ary na dia teo koa aza ny ora-nikija dia tsy nanakana ireo vahoaka marobe nameno ny kianjan’ny Magro etsy Behoririka izany.

 Anisan’ny nisongadina tamin’ireo lahateny ny nataon’ny mpikambana eo anivon’ny Kongresy, solontena avy any Fianarantsoa, Rarison Hilarion, fa dia «roso ka tsa hipody koa ny tolona». Tsy azo ihodivirana ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana an-tanindrazana. Ankoatra izay dia takian’ny fikambanana Maherifon’ny Firenena 2009 ny famotsorana tsy misy fepetra ireo vao nosamborin’ny mpitandro ny filaminana tamin’ny sabotsy lasa teo, teny Ivato.

Ankoatra izay dia nambaran’ity fikambanana ity fa nanomboka omaly tamin’ny tolakandro ny famoahana ireo gadra politika eny Tsiafahy sy Antanimora, ary dia halefa any amina toerana tsy fantatra izy ireo, ilay antsoina hoe «résidence surveillée» saingy tsy nanaiky izany ny fianakaviana sy ireo gadra. Manoloana izany indrindra dia nampitandrina ny fikambanan’ny Maherifon’ny Firenena 2009 mba tsy hanaotao foana ka ahitan’ireo voafonja zava-doza. «Tsy hipetra-potsiny ny fikambanana», hoy ingahy Solo. Fa ankoatra izay dia isan’ny nisongadina teny an-kianja ihany koa omaly ny filazan’ny Vovonan’ireo Fikambanana manohana ny filoha Marc Ravalomanana fa dia matahotra sy tsy mahazaka demokrasia i Andry Rajoelina.

Ny fahatongavan’ireo vahoaka marobe teny Ivato tamin’ny sabotsy 21 janoary iny, hoy Rtoa Malalatiana Rasoaniaina dia midika fa fampiharan’ny vahoaka ny sori-dalana izay lavin’i Andry Rajoelina. Nohamafisiny koa fa dia sokajiana ho toy ny mpampihorohoro ny filohan’ny FAT satria dia nahavita nanodina fiaramanidina. Momba ireo mpitandro ny filaminana izay mampiasa hery moa dia nohitsiany fa dia mbola ny vahoaka no mandoa ny karaman’izy ireo kanefa dia hetraketrahina. Raha ny fahitana azy dia toa vao mainka afo nampirehitra ny fitiavan’ireo mpanara-dia azy ny nanakanan’ny filohan’ny FAT an-dRavalomanana tsy hody an-tanindrazana sy ny fomba nanaovana izany ny sabotsy lasa teo.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT