Politique

Hetsiky ny mpanao gazety Nandefa taratasy ho an’ny HCC


  • Alarobia 03 Aogositra 2016

Mbola ho marik’ilay tsy fankatoavana ny lalŕna vaovao mikasika ny tontolon’ny serasera dia dingana vaovao indray izany izao mba hiandrandrana ny fihainoan’ny fitondram-panjakana ny hetahetan’ny vahoakany ny fandefasana taratasy misokatra any amin’ny fitsarana avo momba ny lalŕmpanorenana (HCC).

  Efa nanaja ny antanatohatry ny fahefana ny mpanao gazety nitondra ny heviny saingy amboletra ihany no nandanian’ny parlemanta ilay lalànan’ny serasera izay mifanohitra tanteraka amin’ny andininy faha 10 sy 11 ao amin’ny lalàmpanorenana miantoka ny fahafahana maneho hevitra sy ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Mpanao gazety ny filohan’ny HCC Jean Eric Rakotoarisoa ankoatra ny maha mpahay lalàna azy. Fatra-piaro ny fahafahana sy ny fahalalahana maneho hevitra raha ny fahafantarana azy hatramin’izay. Andrasan’ny mpanao gazety am-pitoniana izay fanapahan-kevitra feno fahendrena horaisin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana.

Mirija   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT