Politique

Hetsiky ny « Mitsangana ry Malagasy » Tsy hita popoka sahady


  • Zoma 22 Jolay 2016

Tsy araka ny nanampoizana azy tany am-piandohana fa nangina tanteraka ilay hetsika niforona tetsy Andrefanambohijanahary antsoina hoe “Mitsangana ry Malagasy”.

 

             Tsy nihambahamba ireo mpitarika niteny fa tsy maintsy haongana ao anatin’ny fotoana fohy ingahy Rajaonarimampianina noho ny tsy fandehanan-draharaha sy ny jadona ary ny fivarotana tanindrazana ataony. Efa niantso vahoaka mihitsy moa ireo mpitarika, izay olon’ny Tetezamita sy ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 ny ankabeazany. Toa tsy nisy mpanaraka anefa izy ireo ka dia nangina aloha hatreto. Tsy hoe mankasitraka ny tsy mety eto amin’ny firenena ankehitriny ny vahoaka. Efa tsapan’ny Malagasy fa tsy ny tombontsoany no takiana fa ny tombontsoan’ny mpanao politika. Efa niaraha-nahita teto amin’ny firenena mantsy ny fanaovana fitaovana ny vahoaka hahazoana seza. Efa mailo sy tonga saina anefa ny olona ka tsy nanaiky hatao tohatra fiakarana intsony. Olona tena tia tanindrazana sy tena hitaky tombontsoan’ny maro an’isa no ilain’ny vahoaka fa tsy olona hitady seza.

                                                                                 Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT