Politique

Hetsiky ny Magro Tsy mbola vita ny tolona


  • Talata 03 Janoary 2012

Na dia vao fiandohan'ny taona aza, ary teo koa ny orana nikija dia tsy nahasakana ireo mpandala ny ara-dalàna tsy nankeny an-kianja izany omaly alatsinainy 02 janoary 2012.

 Ankoatra ny firariantsoa dia nanao karazana fampahatsiahivana ireo mpitarika fa dia iray ihany no mitarika ny ankolafy Ravalomanana dia ny filoha Marc Ravalomanana izany. Manana solontena dimy anefa izy eto an-toerana dia i Mamy Rakotoarivelo, Manandafy Rakotonirina, Roland Ravatomanga, ny Dr Jules Andriamaholison ary i Zafilahy Stanislas. Nanainga ireo mpiara-mitolona ihany koa ireo mpitarika mba hanaja ny rafitra sy ny fitsipika. Ny tsy fanarahana ny fitsipika no nahatonga ny gaboraraka eto amin'ny firenena, hoy ny CST Henri Randrianjatovo. Tetsy andanin'izany dia nambaran'ny CT Guy Maxime Ralaiseheno fa raha nigadra ireo nigadra, raha sahirana ireo sahirana dia noho ny fitiavana ny Filoha Marc Ravalomanana sy ny tolona izany. Tsy mbola vita ny tolona, raha ny fanazavana. Raha ny fantatra aza moa dia ho henjankenjana izany manomboka eto.

Nangonin'i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT