Politique

Hetsiky ny Magro “Tsy maintsy hirosoana ny fifamelana !”


  • Alatsinainy 30 Janoary 2012

Mbola miteraka adihevitra sy resabe mandrak’androany ny nanakanan’ny filohan’ny FAT ny fodian-dRavalomanana an-tanindrazana tamin’ny 21 janoary lasa iny sy ny vokatr’izany teto an-toerana na teo amin’ny sehatra iraisam- pirenena.

 “Rehefa sakanana tsy hiditra eny Ivato Ravalomanana dia vonona handray azy ny seranan’i Toliara na inona fandrahonana hatao na inona”, hoy i Sazalahy Tsianihy tao amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy 28 janoary teo. Etsy andanin’izany, araka ny vaovao nampitainy dia hihetsika ny zanak’i Toliara amin’ity herinandro ity. Hirotsaka an-dalambe izy ireo noho ny tsy faneken’izy ireo ny fanagadrana ireo polisy nosarangotina ho anisan’ny namono ny mpitsara Rehavana Michel. Fitakiana apetrak’ireo zanak’i Toliara amin’ity hetsika ity ny fialan’i Andry Rajoelina, ny minisitry ny polisy ary ny minisitry ny fitsarana. Ity farany moa dia nomen’ny CT Mamitiana Ravelonanosy, tsodrano hiala raha toa ka tsy hahavita ny amnistia amin’ny fe-potoana napetraka dia ny 29 febroary 2012 raha tara indrindra.

Nambarany fa misy olona afaka mahavita izany ao anatin’ny fotoana ilana azy. Nambaran’ity mpikambana eo anivon’ny Kongresy moa fa tsy hisy krizy hivaha raha toa ka olona fantenana no omena ny famafan-keloka fa tsy famafan-keloka faobe no hatao ho an’ny raharaha 2002 sy 2009. Nohamafisiny ihany koa fa tsy mila amnistia ny filoha Marc Ravalomanana satria fitsarana tsy mahefa hitsara filoham-pirenena no nitsara azy. Ankoatra izay koa anefa dia efa noravana ny didim-pitsarana navoaka, eo koa ny andininy faha-16 amin’ilay sori-dalana izay manafoana ny fanenjehana ara-pitsarana rehetra. Tetsy ankilan’izay dia nambaran’i Manoela, mpikambana eo anivon’ny Kongresy ihany fa fihavanana no ilaina ka dia vonona handany ny amnistia ny ankolafy Ravalomanana, eny fa na dia ho an’ireo olona voaporofo fa nangalatra aza.

Tsy maintsy hirosoana koa ny fifamelana raha toa ka te hivoaka isika ary tsy maintsy efa tafaverina eto ny filoha Ravalomanana vao miroso amin’izay fifamelana izay. Momba ny hoe mety tsy hahatratrarana ara-potoana ny fandinihana ny volavolan-dalàna momba ny amnistia dia nilaza i Manoela fa tsy mitombina izany satria raha ny fandinihina ny teti-bola dia adiny 5 monja no nasaina nandinihina azy ka nolanian’ireo Parlemanta. Ny mpikambana eo anivon’ny CST Randrianjatovo Henri kosa dia nanamafy fa “tsy misy olana ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana”. Misy sadasada ihany koa, hoy izy, ny fanambarana voalaza fa navoakan’ny Troika tamin’ilay fihaonana tany Pretoria farany teo ka mila mahay mijery sy mamakafaka tsara ny tsirairay.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT