Politique

Hetsiky ny Magro Ny sori-dalana no nampody an-dRatsiraka fa tsy Rajoelina


  • Alatsinainy 28 Novambra 2011

Na dia nirotsaka be tokoa aza ny ranon’orana ny sabotsy teo dia tsy sakana ho an’ireo mpitolona tsy hameno ny kianjan’ny Magro etsy Behoririka izany.

 Anisan’ny nisongadina teny an-toerana ny fanazavana nentin’ireo nandahateny momba ny toeran’ny ankolafy Ravalomanana sy Zafy Albert manoloana ny fampiharana ny sori-dalana nosoniavina, ao anatin’izany ny fidirany ao anatin’ny governemanta Beriziky. “Niditra izahay fa miaraka amin’ny fepetra”, hoy ny solombavambahoakan’i Faratsiho teo aloha, Henri Randrianjatovo. Ho fankatoavana ny Troika, tsy hilazana fa mpanohariana na sakana amin’ny famerenana ny ara-dalàna sy ny famahana ny krizy, hoy ihany izy. Ny fanaovana ny famindram-pahefana dia midika ho fankatoavana ny sori-dalana, hoy ihany ity depioten’i Faratsiho teo aloha ity. Tsy midika fa hanaiky lembenana fa rehefa hita ny tsy fetezany, izany hoe raha tsy mivoaka ny gadra, na tsy tafody ny sesitany na koa tsy misokatra ireo haino aman-jery dia hisintona, hoy ihany izy nanazava. Midika izany fa sarotra ny hahatongavana any amina fifidianana malalaka, demokratika sy azo antoka.

Fepetra napetraky ny praiministra lefitra Pierrot Botozaza rahateo io raha vao nanomboka ny filankevitry ny governemanta, araka ny tatitra nataon’i Guy Maxime Ralaiseheno. Nanao antso avo amin’ireo mpiasam-panjakana ambony moa ity farany mba hitazona ny teny nataony ho an’ny tombontsoa ambonin’ny vahoaka sy ny firenena. “Rehefa tsy hitsangana ho an’ny tombontsoan’ny firenena ireo mpiasam-panjakana ambony, ny sendikan’ny mpitsara manoloana ny nanendrena ny minisitra efa tsy ankatoavin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, ny fikambanan’ireo administratera sivily eo anatrehan’ny nanendrena ny minisitry ny atitany dia aoka ho rava daholo”, hoy ity Ben’ny tanànan’Ankaraobato ity. Ankoatra izay dia notsipahiny fa “tsy Rajoelina no nampody ny amiraly Didier Ratsiraka teto fa ny sori-dalana izay nosoniavin’ireo vondron-kery politika”, hoy ihany izy. Nambarany koa fa dia tsy azon’ny FAT tanana intsony ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana izay antenaina fa ho tanteraka ato anatin’ny fotoana haingana.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT