Politique

Hetsiky ny Magro Miantso an’Antananarivo hijoro


  • Alarobia 28 Desambra 2011

Teo amin’ny tantaran’i Madagasikara dia teto Antananarivo no nanorenana fanjakana, teto koa anefa no nandravana fanjakana.

 Manana ny fahefana, fahaizana eto Antananarivo, ary dia fantatr’ireo mpanao politika sy mpanjanatany izany fahefana sy tombon-dahiny eto an-drenivohitra izay ka ampaisainy araka izay mahamety azy, hoy i Guy Maxime Ralaiseheno. Manoloana izany dia manao antso avo amin’ny vahoakan’Antananarivo ny tenany ary mametra-panontaniana ny hoe hatramin’ny oviana no haneken’Antananarivo izao zavatra iainan’ny firenena izao. Raha ireo lanjan’Antananarivo ireo, hoy ity mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita ity dia manana adidy sy andraikitra lehibe ny vahoakan’Antananarivo ary dia hotsarain’ny tantara. «Mitsangana fa eto no fahefana, eto koa no afaka hanongam-panjakana», hoy ihany izy.

Raha ny sitrapon’ny mponina any amin’ny Faritra dia miakatra eto an-drenivohitra hanatevin-daharana ny tolona, hoy ihany ity mpikambana eo anivon’ny Kongresy saingy eo ny tsy fahafaha-manoatra. Any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, araka ny fanazavana dia efa tonga hatrany amin’ny fihinanana saonjo dia, izay poizina raha tsy mahay mikarakara azy ny mponina. Raha adika tsotsotra ny hoe politika, hoy ihany izy dia fandaminana ny fiarahamonina. Ny zava-misy eto amintsika anefa dia akorontana ny fiainana, ny vahoaka. Akorontana amin’ny delestazy, amin’ny tsy fisian-drano, amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny maro hafa. Manoloana izany indrindra dia heveriny fa fotoana handraisan’ny tsirairay ny andraikitra tandrify azy izao satria efa ampy izay telo taona izay. «Ny arivo lahy tsy maty iray andro», hoy ihany ity mpanao politika ity. Fantatra moa fa hisy hetsika ho fanehoan-kery hataon’ny ankolafy Ravalomanana amin’ity herinandro ity.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT