Politique

Hetsiky ny Magro Ho herinandrom-pandresena ity


  • Talata 20 Desambra 2011

“Raha raisin’i Dada ny risika dia raisintsika vahoaka ny andraikitra”, hoy i Guy Maxime Ralaiseheno manoloana ny fanambaran’ny filoha Ravalomanana fa hody tsy ho ela an-tanindarzana ny tenany na dia sakanana amin’ny NOTAM aza.

 Herinandrom-pandresena ity herinandro ity, raha ny fanazavana ary dia miroso amin’ny dingana fanesorana an’i Andry Rajoelina ny tolona amin’izao. Manoloana izay fodian-dRavalomanana izay moa dia nanao antso avo ny CST Fanatera Louis Longin fa “tsy olon-tsotra no hitsena anao ry Dada fa mpitondra fanjakana Malagasy”. Raha seza, hoy izy dia tsy nekena io sori-dalana io satria vitsy dia vitsy. Notsiahiviny fa ny andininy faha-20 no antony nanasoniavan’ny ankolafy Ravalomanana ny sori-dalana ary dia nanaovany antso avo amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, ny Troika ny amin’ny fanatanterahana izany. Izay rahateo no mampikoropaka an’i Andry Rajoelina sy ireo mpanara-dia azy, hoy ny CST Henri Randrianjatovo satria mihazakazaka ny fampiharana ilay andininy faha-20.

Tsy hitady vola no alehanay ao, hoy izy nanamafy fa misy lamin’asa atao, anisan’izany ny handroaka olona. Akaiky, hoy ihany ity depioten’i Faratsiho teo aloha ity ny fahatongavan’ny filoha Marc Ravalomanana ka atao daholo izay isian’ny korontana hilazana fa tsy milamina eto Madagasikara. “Tsy misy izany tsy milamina izany eto satria ry zareo no manao izay tsy hilaminana”, hoy ihany izy. Mazava ny tenin’ny CPS, hoy ihany izy fa tsy hisy fankatoavana iraisam-pirenena raha tsy tonga eto ny filoha Marc Ravalomanana. Nambarany moa fa dia mbola ambonimbony kokoa noho i Marius Fransman ireo delegasion’ny Troika tonga eto, satria raha ny fanazavany dia efa nanara-dia an-dry Simao sy ireo Mozambikanina ity minisitry ny fiaraha-miasa Afrikanina Tatsimo ity.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT