«Rehefa tsy hampihatra ny andininy faha-20 amin’ny sori-dalana dia tsy vahaolana ny fialan’ny minisitra fa ny mpitondra rehetra mihitsy no mila miala», hoy ny CST Ravelonanosy Mamitiana raha nandaha-teny tetsy amin’ny magro Behoririka omaly.
Manoloana ny olana tsy mety voavaha sy ny fahasahiranam-bahoaka, dia miantso ireo mpitondra rehetra ny tenany hametra-pialana, hamadika ny pejy. Ho an’i Toliara manokana, tsy vao izao akory no tsy nilamina tany an-toerana, raha ny fanazavan’ny CT Sazalahy Tsianihy ary efa nanomboka tamin’ny 24 aprily 2009 no efa nisy ny fihetseham-bahoaka ka hatramin’izao. Takianay, hoy izy, ny fialan’i Andry Rajoelina satria tsy voafehiny intsony ny fiainam-pirenena. Etsy andanin’izany dia nambaran’ny CT Guy Maxime Ralaiseheno fa izay ho fanapahan-kevitr’i Andry Rajoelina eo, amin’io olan’ny mpitsara sy ny polisy io dia handrava ny fitondrany. Maro ny zavatra fonosin’io krizy io, hoy izy ary tsy vao androany. Tsy ho ela io dia hipoaka, hoy izy ary dia hiova ny zava-misy na ara-politika na ara-tsosialy. Misy zavatra manko, raha ny fanazavany, dia tsy azo leferina na ny polisy na ny mpitsara ka tsy maintsy hipoaka izany ary dia handrava izao fanjakana izao.
Nezahina nalamindamina foana manko ny disadisa teo amin’ireo mpiara-miasa ireo dia ny polisy sy ny mpitsara hatramin’izay fa amin’izao kosa vaky ny ady. Efa nanilika ny raharaha ny praiministra Beriziky, hoy izy, nilaza fa i Andry Rajoelina no nanendry ary raha nanendry ny filohan’ny FAT dia manana ny fahefana hanala ihany koa. Ny zava-misy anefa, hoy i Guy Maxime Ralaiseheno dia raha hanala ny minisitry ny polisy kanefa tsy hanala ny minisitry ny fitsarana dia ho raharaha. Raha hanala ny minisitry ny fitsarana kosa kanefa tsy hanala ny minisitry ny polisy dia ho raharaha ihany koa. “Fanjakana malemy, tsy afaka manapa-kevitra no misy eto Madagasikara amin’izao fotoana izao”, hoy ihany izy. Tahotr’i Andry Rajoelina ny hanala ny ministry ny fitsarana amin’izao fotoana izao izay tsy afa-miala amin’iny raharaha Toliara iny satria izay ho minisitry ny fitsarana vaovao eo dia olona ho voafehin’ny sendikan’ny mpitsara. Hany vahaolana, hoy ihany i Guy Maxime Ralaiseheno dia mila mametra-pialana ireo mpitondra. Mila mody ny filoha Ravalomanana, hoy izy, ary dia hatsangana ny tetezamita tena izy hitondra any amina fifidianana marina sy azon’ny rehetra antoka.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.