Politique

Hetsiky ny Magro Feno ny kapoaka


  • Alakamisy 19 Aprily 2012

Potika ny firenena, ny mpitondra anefa toa manentsi-tadiny. Ho an’ny mpikambana eo anivon’ny Kongresy, avy any Manakara, dia tsy hisy mihitsy izany mpamatsy vola sy fankatovana iraisam-pirenena izany raha tsy tafaverian eto Ravalomanana.

 Tsy hisy fitoniana sy fifidianana ho vanona ihany koa eto raha tsy tonga Ravalomanana. Manoloana izany dia manentana ireo mpiara-mitolona aminy ny tenany mba hiomana sy hivonona ho amin’ny zavatra rehetra. Momba ny fanapahan-kevitra raisin’i Andry Rajoelina samirery dia miantso ny praiminisitra Beriziky ny tenany mba handray andraikitra ka hampanao fanadihadiana momba ny resaka andramena izay nanesorana tsy an-kiera an-dRandriamiandrisoa Joseph, minisitry ny ala sy ny tontolo iainana. Ralaiseheno Guy Maxime kosa dia nilaza fa ny zavatra mitranga isan’andro dia mampalemy ny fanjakan’i Andry Rajoelina. Ny fijoroan’ny Magro koa dia mampalemy ny fanjakan-dRajoelina ary tsy maintsy handrava azy. Vanim-potoana hamaranana ny krizy izao, hoy ity mpikambana eo anivon’ny Kongresy ity ka mila fahavononana hiatrika izany. Na inona anefa hatao na inona dia tsy misy vahaolana afa-tsy ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana an-tanindrazana ihany satria efa tena feno ny kapoaka, araka ny tenin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, Randrianjatovo Henri Victor.
Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT