Azo lazaina ho tratry ny vela-pandrik’ilay vovonana politika Herin’ny fanovana indray ihany koa ny fitondrana Rajaonarimampianina omaly.
Niharihary teo imason’ny vahoaka sy ny mpanara-baovao indray fa toy ny fandikan-dalàna izay nataony raha nandà ny didy navoakan’ny fitsarana tamin’ny alalana didim-pitondrana nanakanana ny antoko Tiako i Madagasikara tsy hankalaza ny tsingerintaony teto Antananarivo sy tany Mahajanga dia niala bala sisa no hany azon’ny avy eo anivon’ny prefektiora tetsy Tsimbazaza sy ny fiadidiana ny CIRGN tetsy Ankadilalana ka nifanilika andraikitra tsy nisy nandray ny didy navoakan’ny fitsarana misahana amin’ny ady amin’ny fanjakana izay mamela malalaka ny Herin’ny fanovana hanao hetsika ao amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina ny 22 ka hatramin’ny 26 aogositra izao. Vao nivoaka moa ny didy nanome rariny ity hetsika ity avy etsy Anosy dia nihazo avy hatrany teny amin’ny prefektiora etsy Tsimbazaza ny Herin’ny fanovana hanolotra azy ilay alalana azon’izy ireo. Voalaza anefa fa tsy tao amin’ny biraony ity farany. Rehefa izay dia nihazo tetsy Ankadilalana indray ny vovonana ary nilaza koa ny tao fa ny eny anivon’ny prefektiora ihany no afaka mandray ilay taratasy. Miha mijabaka eo amin’ny fanapahan-kevitra noraisiny tato ho ato ny fitondrana. Na ireo mpiara-miasa ao anatiny aza mila hisitri-belona, raha ny zava-nisy omaly.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.