Politique

Hetsiky ny FTAR Efa fitakiana bontolo sisa


  • Zoma 08 Desambra 2017

Na teo aza ny diabe nataon’ny fikambanan’ireo mpitondra fiarakaretsaka eto an-drenivohitra (FTAR) omaly, izay nanao diabe avy eo Ankazomanga ka hatrany Anosy ary nanatonan’izy ireo tompon’andraiki-panjakana toy ny ao amin’ny minisiteran’ny fitaterana sy ny filohan’ny antenimierandoholona Rivo Rakotovao mihitsy dia nanambara ny avy eo anivon’ny fisahanana ara-teknika ny fitaterana eto Antananarivo fa tsy hihemotra amin’ny fanatsarana tokony hatao

Efa fitakiana bontolo ny an’ny FTAR, hoy ny tale teknika misahana ny fitaterana eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, Landy Raveloson. Efa im-betsaka ny fampiantsoana ho amin’ny fifampidinihina fa tsy nety ry zareo. Amin’ny herinandro dia tokony ho vita tanteraka ilay fifampifehezana vaovao (cahier de charge) ary amin’io taona ho avy io no hatomboka ny fitsarana fiara eny amin’ny Omavet Ampasampito ary hotohizana ny fizarana lanterina vaovao. Raha nametraka fanontaniana tamin’ireo mpitatitra nitokona mikasika ny anton’ny hitokonan’izy ireo hatramin’izao, omaly, moa ny mpanao gazety dia saika nanilika izany ho any amin’ny filohan’ny FTAR, Clémence Rahariniriana, avokoa fa tsy nisy nety nandray fitenenana. Tsikaritra teny an-toerana kosa anefa fa nihena ny isan’ny Taxi nanaraka ny FTAR omaly raha oharina tamin’ny hetsika teo aloha ary tsy nahomby ilay vava be nataon’i Clémence Rahariniriana hoe raha manao hetsika fanintelony eo izahay dia hetsika goavana tsy mbola nisy tahaka izany teto Antananarivo mihitsy no hitranga eo. Ny toky fitaka fa ny atao ho hita e !

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT