Nolavin’ny prefen’ny polisy ny fangatahana hanao famoriam-bahoaka nataon’ny antoko Aro riaka izay saika hatao ny sabotsy 2 aprily 2016 izao ao amin’ny kianjan’Ambohijatovo.
« Azon’ny fikambanana rehetra atao ny manao fivoriana eo amin’ny kianjan’ny demokrasia eo Ambohijatovo rehefa nahazo alalana avy amin’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra izy ary nahafeno ny fepetra takian’ny prefektioran’ny polisy ihany koa. Nolavina ny an’ny antoko Aro riaka satria nisy antontan-taratasy tsy fenon’izy ireo », hoy ny fanazavan’ny prefen’ny Polisy ny kolonely Randriamanjarisoa Robert.
Ny fikambanana Aro riaka dia saika hiantso ireo mponina eny Anosimahavelona izay manana olana amin’ny tany amin’ny orinasa Filatex sy ireo rehetra nanana olana amin’ny resaka tany teto Antananarivo.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.