Raha vahoaka no nandrasana dia ny Emmo-Reg no tonga maro teny Ambohijatovo ny sabotsy 14 jolay 2012, tamin’ny hetsika an-dalambe nokasain’ny VHDM (Vondrona hampanjakana ny demokrasia eto Madagasikara) hatao teo amin’ny Kianjan’ny Demokrasia Ambohijatovo.
Tsy tonga tamin’ny 11 ora, fotoana nifanomezana ny mpitarika, na dia sesilany aza ny antso fitaomana olona tamin’iny herinandro nivalona iny. Tamin’ny fiandohan’ny tolakandro no nilatsaka ny fanambarana fa dia tsy raikitra ilay famoriam-bahoaka. Fivoahana voalohany nataon’ny VHDM io. Raha ny fanomanan-dry Pr Paul Rajaonarivelo azy ity, dia ny hitaky ny fialan’ny Fitondrana tetezamita hahazoana manangana tetezamita tena izy hamaranana haingana ny krizy no tanjona. Fitondram-panjakana handala ny fahamarinana io hajoro io, izay hisahana ny fampihavanam-pirenena, hampisy ny fitoniana marina hahafahana manomana fifidianana madio sy eken’ny rehetra. Tsy raikitra moa izy iny, ka dia andrasana ny fisehony manaraka.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.