Politique

Hetsika teny Ambohijatovo Ny Emmoreg no maro an'isa


  • Alarobia 18 Janoary 2017

Efa nampoizina ihany fa ho rakotra Emmoreg indray ny ivelan’ny kianjan’Ambohijatovo omaly taorian’ny nahenoana fa tsy nangataka alalana eny anivon’ny prefektioran’Antananarivo ry zareo mpikambana ao anatin’ilay hetsika politika rodoben’ny malagasy tia tanindrazana ho amin’ny fanorenana na ny RMTF.

 

 Raha ny fandaharam-potoana dia fivoriana ho fahatsiarovana ny nitokanana ny kianja ho kianjan’ny demokrasia no nokasaina natao. Tamin’ny 6 ora maraina dia efa rakotra Emmoreg ny manodidina ny kianja kanefa tamin’ny 10 ora no fotoana nokasaina hanombohan’ny fivoriana. Araka ny nohazavain’ny tompon’andraikitra moa dia nihidy avokoa ny vavahady rehetra nahafahana niditra ny kianja ankoatra ny fanakanana natao tamin’izy ireo ka noho izany dia fametrahana voninkazo no hany azo natao. Nanambara ihany koa ireo mpitarika fa amin’ny manaraka dia alalana hanao hetsika ao amin’ity kianja ity indray no hangatahana.

Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT