Politique

Hetsika teny Ambohijatovo Fahombiazana ho an’ny Zanak’i Dada


  • Talata 15 Mey 2012

Fahombiazana ! Izay no nandraisan’ireo mpitarika ao amin’ny Magro Behoririka ny hetsika nataon’izy ireo ny sabotsy 12 mey teo, saika hanaovan’ny Parlemantera avy amin’ny ankolafy Ravalomanana tatitra tamin’ny vahoakan’Antananarivo tao amin’ny Kianjan’ny demokrasia Ambohijatovo.

 Noporofointsika fa tony sy milamina ny Zanak’i Dada, tsy mpanimba zavatra. Tsy nandaitra ny vela-pandriky ny sasany, nanao izay hitarihana tamin’ny fandrobana sy ny fanimban-javatra na koa hampisaratsaraka ny Zanak’i Dada, hoy ny ventin-kabary tao amin’ny Magro Behoririka omaly. Nasehontsika teo imason’izao tontolo izao fa mirindra ny hetsika ataontsika, hoy ireo mpitarika, ka izay toromariky ny mpitarika no arahina. Ankoatra izay dia miomana ny hanao rodobe eny amin’ny Lapan’ny fitsarana Anosy ny zanak’i Dada rahampitso alarobia 16 mey, hiandry ny didim-pitsarana amin’ny fitsarana ambony mikasika ny fanohanana nataon’ny Tiko amin’ny fampiharana ny didy hitsivolana azon’ny foibem-pitantanana ankapobeny momba ny hetra hanagiazana ny fananan’ny Tiko Andranomanelatra hitakiana hetra tokony haloany. “Hanotrona ny Tiko isika ary ho hita eo indray raha mahaleotena ny fitsarana”, hoy ny CT Ravelonanosy Mamitiana. Novakian’ny CT Radert Didier bantsilana fa tetika hanohizana ny fandrobana ny Tiko no mahamaika ny sasany amin’ity raharaha ity, ka toherintsika izany, hoy izy.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT