Politique

Hetsika tany Betroka Nanao ny tsy fanao ny HVM


  • Alatsinainy 19 Martsa 2018

Nanao ny tsy fanao indray ny HVM nandritra ny fety nataony tany Betroka ny sabotsy 17 martsa lasa teo.

 

 Tsy tahotra tsy henatra ny fanaovana propagandy mialoha ny fotoana satria dia nizarana fanamiana na “T-shirt” nisy sary famantarana ny antoko ny mpanatrika sasany, ary hita ao anatin’izany ny soratra hoe “fidio HVM”. Voararan’ny lalàna ny manao propagandy mialoha ny fotoana, saingy mety natao ho an’ny kandida tsotra angamba fa malalaka ho an’ny kandidam-panjakana. Andrasana izay mety fanehoan-kevitra avy amin’ny vaomiera mahaleotena momba ny fifidianana (CENI) na koa ny manampahaizana manokana momba ny fifidianana eo anatrehan’izao zava-misy izao. Toa miakatra ihany mantsy ny daozin’ity fandikan-dalàna amin’ny alalan’ny fanaovana propagandy mialoha ny fotoana ity. Tahotra ny tsy ho lany avokoa izany, ka sady atao ny fifidianana mialoha ny fotoana no ezahina potehina sy tsy avela hirotsaka ny kandida atahorana. Adin’ny kanosa sy tsy mahatoky valera hatrany no atao. Tsy mba mahay manaja tena na efa hitam-poko hitam-pirenena izao aza fa tsy mahavita azy. Raha mihevi-tena ho mafy sy tena nanasoa firenena tsy mila propagandy mialoha ny fotoana sy misompatra ny kandida atahorana, ary hain’ny vahoaka ny mandany azy fanindroany amin’ny fifidianana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT