Politique

Hetsika sendikaly eto Madagasikara Miha lefy hatrany rehefa mahazo seza ny mpitarika


  • Sabotsy 09 Jolay 2016

Efa be ihany izay hetsika sendikaly nafampana tato anatin’ny taona vitsivitsy nifanesy izay.

Ny zavatra tsikaritra dia matetika mafampana toy ny afo miredareda mihitsy izy ireny raha vao manomboka sy mandeha herinandro vitsivitsy saingy toy ny afo voatondraky ny rano amin’ny siny maro kosa rehefa injay ka misy mpitarika sendra nahazo seza. Isan’ny naneno mihitsy teo aloha kely teo izany afo sendikaly izany saingy nangina izy amin’izao fotoana na dia tsy heno mazava aza hoe nivaly tokoa ve sa tsia ny fitakian’izy ireo. toy izany ihany koa ny hetsiky ny Sempama sy ny oniversite tamin’ny fotoan’androny. Santionany ihany ireo fa somary nahalasa saina ihany koa aloha ny nahita ny fiverenan’ireo gazety mpiseho isan’andro tamin’ny lokony mahazatra sy ny fiatoan’ny miara – manonja tao aorian’ny fahalanian’ny lalàna mifehy ny fifandraisana omaly maraina tamin’ny 12 ora sy 10 minitra izay iriana mba ho fifandrifian – javatra ihany.

Faralahimatoa  

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT