Mampangitakitaka ny misaina ny ampitso sy ny hoavin’ny taranaka raha mbola mijanona amin’ny toerana misy azy izao ny mpitondra ankehitriny, hoy ny rodoben’ny Malagasy tia tanindrazana ho amin’ny fanorenana na RMTF,
ary tsy miova amin’ny hevitray izahay fa mbola mitaky ny fialan’ny filoham-pirenena hatrany. Tsy misy azo antenaina intsony amin’izao fitondram-panjakana izao. Difotry ny tontolon’ny kolikoly ny filoham-pirenena sy ny manodidina azy. Very hasina ny firenentsika. Tsy tokony ho sodokan’ny fanjakana hiditra amin’ny fifidianana isika. Tetika maloto izany ary hampiditra indray antsika any amin’ny fahadisoam-panantenana sy ny kizo lalina. Fotoana izao hamondronana herim-bahoaka hananganana ilay teteza-miampita efa nambaranay hatrany. Maro ny fanambarana efa navoaka, hoy izy ireo, ka dia manao antso avo na ho an’ny sendika na mpanao politika, ny vahoaka malagasy rehetra mihitsy hamondrona hery.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.