“Faly aho miresaka aminareo vahoaka ato amin’ny Faritra Amoron’i Mania. Sahirana ny firenentsika, mijaly ny vahoaka Malagasy noho ny asan-dahalo sy tsy filaminana isan-karazany, mitombo isa ny zaza Malagasy tsy afa-mianatra… Aza matahotra fa tsy maintsy ho avy aho hamerina amin’ny laoniny ny firenentsika”.
Io no ampahan’ny hafatra nambaran’ny Filoha Marc Ravalomanana tao amin’ny kianjan’i Vatovory Ambositra nandritra ny fety fifampiarahabana nahatratra ny taona nataon’ny Zanak’i Dada ao Amoron’i Mania. Velom-panantenana ny vahoaka mpomba ny Filoha Marc Ravalomanana any an-toerana raha nandre izany teniny nivantana avy any Afrika Atsimo izany ny sabotsy 06 aprily lasa teo. Tonga marobe ireo mpanohana azy, notarihin’ny CST Rakotonirina Lovanantenaina, niara-nikorana. Tonga tany Ambositra ireo delegasiona mafonja avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana nahitana an’Atoa Manandafy Rakotonirina, Randrianjatovo Henri, Ramarosonarivo Jeanson, Rakotonomenjanahary Jean Ernest, Ralaiseheno Guy Maxime. Nambaran’ny Filoha Ravalomanana hatrany fa tsy hanendry izay kandida ho Filoham-pirenena ny tenany raha tsy tonga aty Madagasikara.
Nampita hafatra tamin’ireo mpanao politika zokiny ihany koa ny tenany nilazany fa tokony hifanaja izy ireo ary mila miasa miaraka. Mikasika ny Faritra Amoron’i Mania manokana dia nambarany fa harenina haingana ireo fahavoazana marobe ao amin’ny Faritra nataon’ny mpitondra ankehitriny. Aza manaiky ireo fandrebirebena sy lainga afafin’ny sasany fa mijoroa amin’ny fahamarinana hatrany, hoy izy. Tsy nanadino ireo mpanao asa tanana ao Ambositra ihany koa i Dada izay nankahereziny fa ho avy tsy ho ela eto an-tanindrazana izy. Na ny Ben’ny tanànan’Ambositra na ny CST Rakotonirina Lovanantenaina sy ny CT Andriambelosoa Barijaona avy any Fandriana ary ny CT Nirina Lamboarivelo Rakoto Joseph Ambatofinandrahana dia samy nilaza fa i “Dada madigna ro an’Amoron’i Mania”, izay hita tamin’ny sorabaventy tao Vatovory satria tsy mbola resy tamin’ny fifidianana rehetra tao Amoron’i Mania ny Filoha Ravalomanana.
Rado
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.