Mbola nisy akony hatrany ny tamin’ilay fihaonan’i Dada Ravalomanana mivady tamin’ireo mpomba azy teny Ilafy ny sabotsy 2 jolay 2016 lasa teo.
Tena tratra raha ny tanjona nokinendry tamin’iny hetsika iny, hoy izy 4 mirahalahy nitsirian’ny hevitra sy nikarakara iny hetsika iny dia Atoa isany Randriamamizafy Ignace, Andriamampisainarinony Manoela, Ranaivoarizo Raobelina Fenomanjato ary Rakotomamonjy Philippe, dia ny famondronana indray ireo herivelona rehetra nanohana ary mbola manohana an’i Dada hatramin’izay ka hatramin’izao ary ny fakana toky marina ny amin’ny hirotsahan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana hofidiana indray amin’ny taona 2018 ka hiarahana hanarenana aminy an’ity fiainam-pirenena Malagasy iaraha-manana ity. Betsaka ny solontenan’ny Faritra ivelan’Analamanga tonga tao amin’iny hetsika iny ka nahita tsara ny fandehan’ny raharaha ary tapa-kevitra fa hihetsika ihany koa hanao tahaka an’iny any amin-dry zareo tsirairay any. Efa vonona izao, araka ny fantatra ny Faritr’i Vakinankaratra sy ny Faritr’Alaotra Mangoro (Moramanga) amin’ny hetsika manaraka tsy ho ela.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.