Politique

Hetsika « Mitsangana ry Malagasy » Hitohy aorian’ny bakalorea


  • Alatsinainy 25 Jolay 2016

Fotoana sarobidy loatra amin’ny tokony hisian’ny fitoniana eto amin’ny firenena izao vanim-potoanan’ny fanadinam-panjakana ataon’ireo zanatsika izao

, hoy ny praiminisitra teo aloha, Jean Omer Beriziky, raha naneho hevitra tamin’ny mpanao gazety mikasika ny fahanginan’ny hetsika mitsangàna ry malagasy amin’izao fotoana izao izy teny amin’ny lanonam-pamaranana ny filankevim-pirenen’ny antoko Leader Fanilo tarihin’ny filohany Rabesa Zafera Antoine teny amin’ny Panorama Andrainarivo ny sabotsy lasa teo. Tsy maty araka fiheveran’ny mpanara-baovao azy akory ny afo fa mbola mitohy mivory ireo mpikatroka rehetra ao anatin’ity hetsika ity mba hanomanana ny paikady ahafahana miatrika sy hampahomby izay tohin’ny hetsika rehefa tontosa sy lavorary ny fanadinam-panjakana rehetra nanomboka tany amin’ny CEPE ka hatrany amin’ny bakalorea. Be ny diso fanantenana taorian’ny krizy satria dia efa misasaka izao ny fe-potoam-pitondran’ny filohan’ny repoblika nefa dia tsy hiambahambana ny milaza fa tsy miroso isika fa mihemotra. Nomarihiny kosa teo am-pamaranana fa amin’ny maha naman’ny Leader Fanilo hatramin’izay no antony nahitana azy teny an-toerana.

Mirija  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT