Tsy nitsitsy fitenenana ireo mpitarika ny hetsika “Mitsangŕna ry Malagasy”, izay nivory tetsy Andrefanambohijanahary ny sabotsy 9 jolay 2016 teo.
Takian’izy tsy misy hatak’andro ny fialan-dRajaonarimampianina sy ny fitondrana tarihany. Tokony harodana tsy misy alaharo io fitondrana jadona mpivarotra tanindrazana sy mpambotry firenena io, hoy ny ventin-kevitr’ireo nandray fitenenana. Ampangain’ny “Mitsangàna ry Malagasy” ny fanaovana gaboraraka ny harem-pirenena, ny fakana an-keriny ny fananam-bahoaka sy fanaovana azy varo-boba ary ny tsy fahaiza-mitantana sy ny fanaovana tsinontsinona ny maha olona. Ary ny tena zava-doza, hoy izy ireo dia ilay lalànan’ny serasera nolaniana maimaika izay ambaran’izy ireo fa taratry ny fampanjakana ny jadona eto amin’ny firenena. Milaza hitarika vahoaka handrodana izao fitondrana izao izy ireo, izay ny ankamaroany dia mpanao politika tsy vaovao amin’ny Malagasy toa an-dry Sylvain Rabetsaroana, Alain Andriamiseza, Razanamahasoa Christine, Hajo Andrianainarivelo, Augustin Andriamananoro, Omer Beriziky. Tazana teny Andrefanambohijanahary ihany koa tamin’io sabotsy io i Gangstabab avy ao amin’ny Antoko Politika Madio (APM) sy Hery Raharisaina mpikambana fahiny tao amin’ny ankolafy Ravalomanana ary efa solombavambahoaka sy minisitra teo aloha. Nanatrika ity fihaonana ity ihany koa Atoa Holijaona Rabaonarijaona, mpandraharaha. Miantso ny Malagasy rehetra tsy ankanavaka hiara-kientana sy hitsangana hanovana ny lalan’ny tantara ihany koa ny hetsika «Mitsangàna Ry Malagasy».
Filohan’ny tetezamita
Tsikaritra tamin’ny fomba firesaka sy ny fanehoan-kevitra tamin’io sabotsy io fa nasongadina manokana ingahy Jean Omer Beriziky, praiminisitra fony tetezamita ary efa masoivohon’i Madagasikara teo anivon’ny vondrona eoropeanina ihany koa. Mandeha ny feo fa izy no atosika mafy ho filohan’ny tetezamita manaraka eo rehefa mirodana ny fitondrana HVM noho izy afaka miresaka amin’ny ankolafin-kery politika rehetra no sady afaka mifampiraharaha tsara amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Re ihany koa fa efa fantatry ny fitondram-panjakana tsara ny momba ity zavatra ketrehan’ny “Mitsangàna ry Malagasy” koa dia ho hita eo izay mety ho tohiny. Ho sahin’ny fanjakana ve ny hisava tsirairay ny tranon’ireo mpitarika ireo sy hisambotra azy ireo mihitsy ? Tsy miafina intsony mantsy ry zareo amin’ny zavatra kasainy atao, izay tsy mifanalavitra tamin’ny fanambarana sy fanehoan-kevitra nataon’ny senatera Lylison.
Ramano F sy Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.