Niverina indray ny hetsika radio miara – manonja amin’ireo mpanao gazety izay mitaky ny fiverenana amin’ny fahalalahana eo amin’ny asany sy ny fahafahana hiteny nanomboka omaly.
Taorian’ny fandanian’ireo solombavambahoaka ny lalàna mifehy ny serasera eto amintsika ny alakamisy teo dia hisy ny filaharam – be anio ho fanehoana ny alahelo sy ny tsy fankasitrahana ny fandaniana tsy tamim – pahamendrehan’ireo manam - pahefana ity lalàna ity. Nanazàva moa ireo mpandray anjara amin’ny hetsika fa raha te ahita fitakiana am – pilaminana sy madiodio tsy misy ambadika politika dia asaina ho tonga etsy Ankorondrano hiaraka amin’ireo mpanao gazety hihazo eny Analakely manoloana ny tsangambaton’ny ho an’ny fahalalahan’ity asa ity anio maraina satria poizina ho antsika rehetra ity lalàna vaovao ity.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.