Politique

Hetsika Masoandro Maraina “Potehin’ny mpanambola ny firenena”


  • Alatsinainy 12 Martsa 2012

Fahombiazana ! Izay no azo amintinana ny fanombohan'ny fitetezam-paritra nataon'ny hetsika Masoandro Maraina, tarihan'ny Maitre Avoko Rakotoarijaona, ny faran’ny herinandro teo.

 Manodidina ny 2000 ny olona namaly ny antso teny Sabotsy Namehana ny sabotsy. Tsy maintsy nisy olona tety ivelan'ny trano satria tsy nisy toerana intsony tao anatiny. Araka ny fomba fanao hatramin'izay moa dia natomboka tamin'ny fanompoam-pivavahana ny hetsika, nisy avy eo ny fanazavan-kevitra sy fampahafantarana ny tantaran'i Madagasikara, amin'ny maha firenena miavaka azy. Niroso tamin'ny fametraham-panontaniana indray avy eo, ka nahatratra 35 ny olona nametra-panontaniana tamin'izany. Manodidina ny raharaham-pirenena amin'ny ankapobeny ireo fanontaniana ireo, ka raha akapoka iray dia hita fa leon'ny sangodim-panin'ny mpanao politika politisianina ny olona, ary tsy matoky intsony ny fomba hitantanana ny firenena sy hamahana ny krizy amin'izao fotoana.

Nanazava avy eo ny Maitre Avoko fa tsy maintsy mpitondra manana ny fanahin'Andriamanitra no mahavonjy an'i Madagasikara, fa tsy ny politikan'ny ady seza sy ny fikarohana tombontsoa etsy sy eroa. Tamin'ny alalan'ireo olon-tsotra nandray fitenenana teny Sabotsy Namehana ihany koa no nipoiran'ny resaka fa tena miendrika adin'ny jiolahimboto mihitsy no misy eo amin'ny tontolo politika amin'izao fotoana. Niraisan'ny rehetra hevitra ihany koa ny hoe : ireo mpanambola sy milaza azy fa manampahaizana no tena nanapotika ny firenena tamin'ny fitiavantenan'izy ireo sy ny fanaovana lova tsy mifindra tamin'ny fitantanana ny firenena. Nitovitovy tamin'izay ihany moa no nitranga teny Ambohitrimanjaka, omaly alahady raha nanohy ny fitetezam-paritra ny hetsika Masoandro Maraina. Raha toa ka somary nangingina ny Maitre Avoko teo aloha teo, dia hita fa manomboka mahasarika olona ny fanehoan-kevitra sy ny fampianarana ataony, izay mifototra amin'ny lohahevitra mazava : mila miverina amin'Andriamanitra ny Malagasy, miala amin'ny ziogan'ny haizina ary mpitondra manana an'Andriamanitra no tena ilain'ity firenena ity fa tsy izay rehetra mahay mikabary sy misora-tena fa mpanao politika sy manampahaizana. Mbola hisy ny hetsika hafa amin'ity herinandro ity ka hihaona amin'ny vahoakan'Antananarivo renivohira indray ny Masoandro Maraina. Mbola ho fantatra amin'ny manaraka ihany moa ny toerana hanaovana izany.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT