Politique

Hetsika Magro Behoririka Hanao dingana lehibe ity herinandro ity


  • Alatsinainy 16 Aprily 2012

«Tsy maintsy miala i Andry Rajoelina satria mpanimba firenena», hoy ny mpikambana eo anivon’ny Kongresy avy any Moramanga, Randriamamiarizafy Ignace. «Vita hatreo ny pasifika», hoy ihany ity mpanao politika izay nanambara fa ho lalàna fanonganam-pirenena no nolaniana teny amin’ireo Parlemanta roa fa tsy ilay ho amin’ny fampihavanam-pirenena.

 Nanao antso avo amin’ireo manana heloka toy ny fanodinkodinam-bola, fandoroana tranon’olona, fanaovana taratasim-bola tsy misy antoka sy ny maro hafa moa ny tenany mba tsy hanaiky raha tsy mahazo amnistia ihany koa toy izay natao tamin’ireo mpanao politika sasany satria Malagasy iray ihany isika eto, hoy izy. Fanontaniana moa no nasetrin’i Constant Raveloson izany raha toa ka eken’ny Malagasy ny fisiana olona tsy maty manota eto amin’ny firenena sy ny fahaverezan-jo ny sokajin’olona sasany, azo vonoina sy doroana tsotra izao. «Any amin’ny vahoaka ny fanapahana farany», hoy ity mpitari-tolon’ny MFM ity, izay nitaky ny hanokafana ireo radio rehetra hahazoan’ny vahoaka miteny.

Momba ny resaka fifidianana indray dia niantso tamin’ny fomba ofisialy an’i Andry Rajoelina ny mpikambana ao amin’ny Kongresy, Andriampilamanana Rostand, mba hilatsaka hofidiana. Nambaran’i Manoela Ralaimampisainarinony moa fa dia efa misy kaontenera maromaro tonga eto mitondra t-shirt sy kaskety hozarain’i Andry Rajoelina amin’izany fifidianana izany. Notsindriany kosa fa raha sakanana tsy hilatsaka hofidiana Atoa Marc Ravalomanana dia tsy hisy fifidianana handeha eto. «Ity herinandro ity no farafandeferana. Horaisintsika ny andraikitra», hoy kosa i Zafilahy Stanislas izay nilaza fa efa manomana sy mandinika izany ireo mpitarika. Fantatra àry fa tsy misy mody amin’ny Faritra niaviany ireo mpikambana avy ao amin’ny CT sy CST avy amin’ny ankolafy Ravalomanana na dia efa vita aza ny fivoriana tsy ara-potoan’ny Parlemanta.

Nohamafisiny fa dia hiatrika zava-dehibe ireo mpitolona amin’ity herinandro ity ka mila mivonona ho amin’izany ny rehetra, araka ny tenin’ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, Randrianjatovo Henri. «Tsy fotoanan’ny fahanginana na fisitrihana intsony manko izao fa fotoana handraisana andraikitra», hoy i Guy Maxime Ralaiseheno nanamafy. Raha ny fantatra dia hihazo ny biraon’ny SADC etsy Ivandry, hanatitra taratasy, ny ankolafy Ravalomanana sy ireo mpanara-dia azy amin’ity anio ity.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT