Politique

Hetsika “Madagasikara miaro ny nosy Malagasy”


  • Talata 02 Febroary 2016

Hiady hatramin’ny farany ireo nosy Malagasy izay giazan’ny frantsay ny fikambanana Madagasikara miaro ny nosy Malagasy tarihin’Atoa Alain Ramaroson.

 

 Niainga avy ao Mahajanga ny fitakiana atao manerana ny nosy izay iantsoana ireo rehetra mizaka ny zom-pirenena Malagasy mba hiaraka hitaky ireo harem-pirenena ireo. Tsy ilaina intsony ny firenena Fratsay, hoy ny filoha raha nandray fitenenana izy satria izy ireo ihany no mibodo ny tany Malagasy. Raha tsiahivina dia 140 km miala an’i Maintirano dia efa mahatazana ireo nosy kely an’i Madagasikara ireo. Firenena maro any ivelany no efa manaiky fa ny Malagasy no tompon’ireo nosy ireo. Aorian’ny fametrahana ny biraon’ny fikambanana Madagasikara miaro ny nosy Malagasy dia hanomboka ny fitsofana ny kiririoka amin’ny faritra iray ka eo vao hihamafy ny fitakiana. Anisan’ny fandaharam-potoan’ireo mpikambana ny fidinana an-dalambe amin’ny 29 martsa izao ka ireo faritra rehetra misy ny fikambanana dia samy hanao io hetsika io avokoa. Hiezaka hatrany ny mpitarika ny hampahafantatra ny vahoaka manoloana ity hetsika atao ity.

 

Tolin

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT