Politique

Hetsika ho an’ny fahalalahana sy demokrasia Mitohy ny tolona


  • Alatsinainy 21 Mey 2012

Nisy nanafika tao an-tranony teny Ankadifotsy i Rija mpanao gazetin’ny radio Free FM, ny alin’ny sabotsy 19 mey.

 Efa nisy nanaraka avy eny Ambohijatovo ka hatreny amin’ny toeram-piasany teny Ankorondrano izy, hoy ireo mpiara-miasa aminy, no izao nisy nanafika izao. Tafavoaka ara-potoana anefa ity mpanao gazety ity, ka ny solosaina fitondra mandehandeha no fantatra fa lasan’ireo olon-dratsy. Na izany aza dia nambaran’ireo namany fa nisy olona sivy lahy teo, manao fanamiana sivily, nihaodihaody teny amin’ny trano fonenany omaly alahady. Nosamborin’ny Emmo-Reg io sabotsy 19 mey io, ihany koa i Rado, teknisianina ao amin’io Free FM. Nanampy tamin’ny fandefasana fanamafisam-peo nentin’ny fiara Peugeot 404 bâchée ity teknisianina ity. Tavela teo Soarano ilay fiara rehefa novakian’ny mpitandron’ny filaminana ny kodiarany roa, ary tamin’izay koa no nisamborana ilay teknisianina.

Notazomina avy hatrany teny Betongolo, borigadin’ny zandary Tana Ville, izy nanaovana fanadihadiana ka anio amin’ny 9ora maraina no hatolotra ny fitsarana. Nanao fanamiana Free FM, nitondra basy, nitarika olona hanohitra mpitandro ny filaminana no anenjehana azy. Mitaky hamoahana azy, izy ireo rehetra nosamborina tamin’iny andro iny, ireo mpiara-miasa aminy ao amin’ny Free FM. Ireto farany izay manameloka ny fanosihosena ny zon’olombelona atao amin’ity teknisianina mpiara-miasa amin’izy ireo ity. Maratra noho ny daroka natao azy izy io, hoy izy ireo, nefa tsy nomena dokotera ; eny fa na ny mpisolovava aza tsy afaka nihaona aminy.

Misy teknisiana iray hafa ihany koa voalaza fa naratran’ny toto-basy. Karohin’ny Emmo-Reg hatramin’ny sabotsy koa ry Lalatiana Rakotondrazafy sy Fidèle Razara-Pierre, tompon’andraikitra ao amin’ny Free-FM ary tompomarika tamin’ny famoriam-bahoaka teny Ambohijatovo io sabotsy 19 mey 2012 io. Nanamafy izany ny jeneraly Richard Ravalomanana fa tsy maintsy hokarohina ary hosamborina izy ireo. Hentitra anefa i Lalatiana Rakotondrazafy nilaza fa “mitohy ny tolona”, ary tetika atao hahafaty momoka ny fitakiana ny hisian’ny fahalalahana sy hametrahana ny tena demokrasia avokoa no mitranga sy atao amin’ny mpiara-miasa amin’izy ireo ao amin’ny Free-FM amin’izao fotoana izao. Loharanom-baovao hafa no mitatitra fa dia hanao ranolava ny fanambarana fanohanana ity hetsika notarihin’ny Free FM ity manomboka anio.

Gidragidra

Araka ny efa nanampoizana azy dia tsy tafiditra tao amin’ny kianjan’ny demokrasia ambohijatovo ny sabotsy lasa teo, ireo mpanentana fandaharana tao amin’ny onjampeo Free FM sy ny mpiara-dia amin’izy ireo. Vao maraina tahaka ny mahazatra dia efa niatrana teny Ambohijatovo sy ny manodidina ny Emmo reg, ny zoma hariva dia efa nilaza ny jeneraly Richard Ravalomanana fa ho avy eny Ambohijatovo izy ireo, hiambina ny kianja, ary handray ny andraikiny raha toa ka misy ny fivoriana na fitangoronana tsy nahazoana alalana. Nitovy tamin’izay ihany koa ny an’ny Prefen’Antananarivo izay nilaza fa tsy nisy ny taratasy fangatahana fahazoan-dalana hampiasa ny Kianjan’ny demokrasia tonga teny amin’ny prefektiora. Tsy midika ho fangatahana fahazoan-dalana ilay taratasy fampandrenesana nalefan’ny sendikan’ny mpanao gazety hoy izy, tsy nanontaniana izahay ary dia rariny loatra raha tsy mamaly ihany koa.

Na dia izany aza anefa dia tonga teny Ambohijatovo ny olona. Ny fitadiavana fanamafisam-peo hampiasaina no nambaran’i Fidèle Razara Pierre fa nahatara ny fanombohana. Teny akaikin’ny tobin’ny RM1 Analakely no nitangorona ny olona ary tapaka ny fifamoivoizana teo. Niteny nandritra ny minitra lavalava teo hoe i Fidèle. Nihaino izany tao anatin’ireo fiara 4x4 nitoby teo anoloan’ny vavahadin’ny zaridaina Ambohijatovo ny Emmo-Reg. Taorian’izay dia nisy ny fihetsehan’ny olona saika hirohotra hiakatra teny Ambohijatovo, ka dia nirefotra avy hatrany ny baomba mandatsa-dranomaso. Sesilany ny tifitra lakrimozena nataon’ny Emmo-Reg, nanaparitahana azy ireo, nitohy tamin’ny fanenjehana. Nitsoaka nihazo an’Analakely akaikin’ny Tahala Rarihasina sy tany ambadiky ny Pavillon ny olona, nisy koa ireo niakatra tany Ambondrona sy Faravohitra ary Ambatonakanga sy Ambohijatovo ambony. Niraondraona ny kiririokan’ireo fiara vaovaon’ny Emmo-reg, nanenjika ireo mpanao fihetsiketsehana.

Nanomboka ny fisamborana. Nisy 11 izy ireo raha ny tatitra ofisialy, navotsotra anefa ny enina fa ny dimy no notanana, ka anisany ilay teknisianin’ny Free FM. Nisy ireo naratra sy toran’ny lakrimôzena. Nisy andian’olona nanomboka nametraka sakana tamin’ny arabe, tao ny nandoro kodiarana teny Analakely. Nanakatom-baravarana ireo mpivarotra. Raha niteny tamin’ny onjampeo moa ireo mpanentana ny Free FM nikarakara ity hetsika ity dia nanatitrantitra fa tsy hampihemotra azy ireo sy ny vahoaka miaraka aminy ny zavatra nataon’ny herim-pamoretana.

Tsy maintsy mitohy ny tolona amin’ny ady amin’ny fahafahana sy ny fahalalahana maneho hevitra, hoy izy ireo. Niantso izay rehetra mahatsapa ny tsy rariny ataon’ny fitondrana tetezamita izy ireo mba ho sahy hijoro, ka hifanome tanana aminy. Nisy moa ireo mpanao politika avy amin’ny ankolafy Zafy tonga teny Ambohijatovo tamin’io sabotsy io, tazana teny an-toerana ihany koa ireo solotenan’ny SADC eto amintsika nijery ny zava-misy ary niaritra ny hafanana sy ny hanoanana ary ny lakrimôzena teny Ambohijatovo. Io sabotsy maraina io ihany dia namoaka fanambarana ny masoivoho Amerikana ny amin’ny tokony hanajana ny fahafahana maneho hevitra sy ny tsy tokony hisian’ny fanapenam-bava ny mpanao gazety. Tsy nanaraka ity hetsika ity kosa ny ankolafy Ravalomanana. Hendry tsara, nijanona tao amin’ny Magro.

Henjakenjana ihany iny tranga tamin’ny sabotsy lasa teo iny, ary maro ny manahy ny hiverenan’ny tamin’ny 2009 raha nahita ny fizotry ny fifanandrinana teo amin’ny Emmo-Reg sy ny mpanao fihetsiketsehana. Miha miakatra ambonimbony kokoa ny fitakian’ny Free FM.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT