Politique

Hetsika fitakiana ny « îles éparses » Nipoaka ny lakrimozena, mitohy ny tolona


  • Alatsinainy 11 Janoary 2016

Hitohy anio ny hetsik’i Madagasikara mitaky ireo nosy malagasy. Tsy hijanona intsony ity hetsika fitakiana ity raha tsy tody hatramin’ny farany dia ny fahazoana ireo nosintsika bodoin’ny frantsay.

 

 Io no nambaran’Atoa Andrianjaka Rajonah, filohan’ny antoko Otrikafo izay mpitarika ity hetsika ity ny sabotsy teo teny Ambohijatovo. Tsy mbola vita ny ady fitakiana ny fahaleovantenan’i Madagasikara satria misy tanintsika tsy eo ambany fahefantsika ka izay no tsy maintsy hiadiana. Mino aho fa maro ireo tia tanindrazana na any anivon’ny mpitondra any aza saingy teren’ny zava-misy maro samihafa dia tsy mahasahy mivoaka saingy tsy maintsy ho avy ny fotoana izay hivoahan’ny tia tanindrazana rehetra izay antsoinay hanatevina izao hetsika ataonay izao, hoy hatrany ny filohan’ny Otrikafo. Ny sabotsy teo, tokony ho tamin’ny 10 ora maraina, no tonga teny Ambohijatovo ireo mpitarika ny hetsika izay nikasa ny hanao filaharam-be hatreny Ambatomena toerana misy ny masoivohon’i Frantsa. Notoherin’ny mpitandro ny filaminana hatramin’ny farany anefa ny hetsika ka nisy mihitsy ny fampiasan’izy ireo baomba mandatsa-dranomaso nentina nandravana ny hetsika. Tsy nahakivy ireo mpitolona izany fa mbola nahavita nifanentana tamin’ny « mégaphone » indray izy ireo avy eo. Iny indray no nokasain’ny mpitandro ny filaminana ho nalaina, saingy tsy azon’izy ireo. Nizara roa ny niafaran’ireo mpanao ny hetsika ka teo no nahatonga ny ampahany tafaporitsaka ka tody teny Ambatomena. Nikasa ny hamelatra ireo sorabaventy izy ireo nony tonga teny an-toerana saingy voasakan’ny mpitandro ny filaminana. Ny ampahany faharoa tamin’ny mpanao fihetsehana kosa dia nijanona teny Ambohijatovo hatrany.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT