Politique

Hetsika eo Ambohijatovo Hanao angaredona ireo Parlemantera


  • Alarobia 25 Aprily 2012

Tongotra mby an-dakana ny tatitra hataon’ny Parlemantera avy amin’ny ankolafy Ravalomanana amin’ny vahoakan’Antananarivo amin’ny sabotsy izao, raha ny kabary tao amin’ny Magro omaly.

 Ho angaredona mihitsy amin’io satria dia izy 87 mianadahy mianaka, 57 ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita (CT) miampy azy 30 ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST). Manoloana ny fampitandremana ataon’ny lehiben’ny mpitandro ny filaminana dia nazava ny tenin’ny CT Andriamoratsiresy Sandros Alfred (Vatovavy Fitovinany) fa “tsy hitarika korontana no hataon’ny CT sy CST fa hanao tatitra ka tsy maintsy ho avy eny Ambohijatovo izahay ary zonay izany”. Na izany aza dia basy atifi-kavana ny an’ny CST Leriva Manahirana (Atsinanana) nilaza fa “na inona na inona mipoaka, tsy misy mitsoaka”.

Nampian’ny CT Rasoamalala Odette Brenda (Alaotra Mangoro) fa “isika manana olom-panjakana indray ve no hatahotra ?”. Fanentanana no nataon’ny CT Rarison Hilarion (Matsiatra Ambony) fa dia “ho fenointsika ny tanàna amin’ny sabotsy”. Fa niantefa tamin’ireo izay mety mbola misalasala kosa ny tenin’ny filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita Zafilahy Stanislas (Analanjirofo), ka nampatsiahivany fa misolo ny solombavambahoaka izy ireo ka “hanao tatitra izahay ary ara-dalàna izany”. Nanao fangatahana koa izahay na dia notenenina aza fa ny fidirana ao Ambohijatovo tsy mila fangatahana, hoy izy koa “ho tonga miaraka ho fanombohana isika ary hiasa miaraka ho fahombiazana”. Nambarany moa fa dia betsaka ny Parlemantera avy amin’ny firehana hafa hanampy amin’io hetsika amin’ny sabotsy 28 aprily io.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Michel Razafindrandriatsimaniry
  • Zoma 05 Jona 2026

Manentana ireo Olomboatendry

  • Vovonana RALI
  • Zoma 05 Jona 2026

"Tsy misy fotoana ho an'ny adilahy,

  • Antoko politika Les Phares
  • Zoma 05 Jona 2026

«Efa misy dingana maro vita

  • Afera Rajerison, HCC, resaka fanakorontanana,…
  • Zoma 05 Jona 2026

Hangotraka ny fanenjehana,

  • Nikaon-doha
  • Alakamisy 04 Jona 2026

ny Filoha, FFKM, Praiminisitra,…

Hijery ny tohiny
FTT