Vita ny fivoriana isan-tsokajiny tetsy sy teroa natrehana izay azo ambara fa mandalo avokoa dia mitodika amin’ny fikarakarana ny vahoaka ifotony
araka ny mahazatra azy ny Depiote Rasoanoromalala Horace sy ireo mpiara-miasa aminy avy amin’ny antoko TIM ka hitondra dokotera manampahaizana manokana hizaha maso maimaimpoana ny mponina tsy an-kanavaka, araka ny tarigetran’ny antoko ka mila izany, eny amin’ny Boriborintany faha-6 eny Ambohimanarina eny. Hetsika izay hotanterahina ny alarobia 30 novambra manomboka ny maraina.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.