Politique

Hetsika an-dalambe Ela fidona, mihemotra ny olona


  • Alarobia 06 Jona 2012

Mifanesisesy tokoa ny fitakiana sy fitokonana isan-karazany tato anatin’ny volana maromaro izao.

 Tsy tena mbola nisy tamin’ireo sendika anefa no atao hoe afa-po tamin’izany fitakiana izany. Hentitra rahateo ny fitondrana tetezamita raha milaza fa tsy ampy hampisondrotana ny karama sy ny tambinkaraman’ny rehetra ny vola eo am-pelatanan’ny fanjakana ankehitriny, ary any amin’ny fitondrana ara-dalàna aorian’ny fifidianana vao tokony hitaky izay takiany ireo sendika ireo. Ireo vondron’olona midina an-dalambe dia niainga tamin’ny fitakiana ny fahafahana haneho hevitra sy hampiasa ny Kianjan’ny Demokrasia ny resaka. Ankehitriny anefa dia efa manentana ny mpiasam-panjakana amin’ny fitokonana faobe izy ireo, ary rehefa dinihana ny fanehoan-kevitra ataon’izy ireo dia ny fandrodanana ny tetezamita tarihan’i Andry Rajoelina mihitsy no tanjona. Tsy dia mahatarika vahoaka maro anefa ireo manentana ny olona hidina an-dalambe ireo.

Amin’ny saina tsy maingatra no ilazana fa tsy mbola tratra ny fetr’isa amin’ny olona midina an-dalambe ka maha toran-kovitra ny mpitondra, ny olona rahateo sahirana amin’ny fitadiavana andavanandro. Raha vao tsy miasa mantsy dia banga izay ny vola, midika izany fa mety hihena na tsy hisy mihitsy ny harapaka. Tsikaritra ihany koa fa hatreto aloha dia mpanao politika tsy dia maharesy lahatra ny olona firy no mitarika ny fidinana an-dalambe ka mety ho antony tsy dia mahamaro ny olona ihany koa angamba izany. Ary ny tena goavana dia tsy hita hatramin’izao izay fandraisan’andraikitra nampanantenain’ireo manamboninahitra sy manamboninahitra lefitra avy ao amin’ny foloalindahy.

Tsara homarihana fa nanafaingana ny fandrodanana ny fitondran’i Marc Ravalomanana ny fiandanian’ny ampahany tamin’ny foloalindahy, tany amin’i Andry Rajoelina. Tsy nandray baiko avy amin’ny fitondrana nisy intsony izy ireo. Nisy mihitsy aza ireo miaramila manao fanamiana mitam-basy niaro sy niambina an’i Andry Rajoelina teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey. Tao anatin’ny roa volana latsaka kely no nisehoan’io rehetra io tamin’ny 2009. Ny 28 aprily 2012 no nanomboka nafana indray ny fidinana an-dalambe nitaky ny hanokafana ny kianjan’ny Demokrasia etsy Ambohijatovo, nisy foana taorian’io ny fidinana an-dalambe indray mandeha, na in-droa isan-kerinandro, saingy raha ny fahitana ny zava-nisy teny Analakely omaly, dia nihena ny isan’ny olona. Inona no mety antony ? Ny fatahorana ny mpitandro ny filaminana ve sa ny faharerahana sy ny fahadisoam-panantenana amin’ny fitarazohan’ny tolona ? Ankoatra ny hetsiky ny Free FM moa, dia milaza ny mbola hanao hetsika goavana hitarika vahoaka hidina an-dalambe koa ny vondron’ny mpanohitra amin’ity herinandro ity, ka ho hita eo indray, ny mety ho fitrangany

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT