Manahiran-tsaina ny mpitondra ankehitriny sy ireo mety ho mpifanandrina aminy i Marc Ravalomanana amin’ny fifidianana. Sarimihetsika fotsiny ny resaka gafigafy atao amin’ny hafa fa ny zava-misy rehetra kosa dia maneho fa i Marc Ravalomanana sy ny antoko TIM aloha no tena laharam-pahamehana ny famotehana azy.
Hampiasaina amin’izany ny lalàna mifehy ny fifidianana. Ao anatin’ny andininy faha-6 amin’io tolo-dalàna momba ny fahafaha-mirotsaka hofidiana, dia aseho ao fa olona mbola nohelohin’ny fitsarana tamina heloka bevava sy vono olona. Hatramin’ny nilazan’i Marc Ravalomanana fa ho kandida filoha ny tenany, dia nofohazina ny raharaham-pitsarana momba ny 7 febroary, izay efa tamin’ny 28 aogositra 2010, nanamelohana azy higadra mandra-pahafaty. Tsy te hihaino sy hiraharaha izany sata maha filoham-pirenena teo aloha izany ny fanjakana HVM na dia voafaritra mazava aza, fa ny HCJ (Haute Cour de Justice) ihany no fahefam-pitsarana afaka mitsara azy. Mangina tsy misy tohiny ny raharaha rehetra mikasika io krizy 2009 io, toy ny fandorana sy fandrobana ny 26 janoary, ny faty olona isan-karazany,… Naninona no nangina ny raharaha nandritra ny taona maro ary nahoana no i Marc Ravalomanana ihany no resahina momba ny raharaha 7 febroary ? Nisy anefa ireo tompon’andraikitra nitarika olona hanani-dapa, izay toa afa-maina. Anisan’ny voafaritra ao amin’ny andininy faha-6 ihany koa fa tsy maintsy nahaloa hetra ny kandida. Mbola hamafisiny any amin’ny andiny faha-10 ny fitakiana ny pitsopitsony ara-taratasy sy fanamarinana avy amin’ny sampandraharahan’ny hetra fa nahaloa hetra ny kandida iray. Orinasa efa may tamin’ny 2009 ny Tiko, ary tsy navela hisokatra, kanefa io mbola afangaro amin’ny AAA-Tiko io. Ny AAA-Tiko, izay orinasa vaovao mihitsy indray no ezahina lazaina fa tsy nandoa hetra sy tsy ara-dalàna, ary lazaina fa tsy nahaloa jiron’ny Jirama. Efa nanamafy anefa ny Tale Jeneralin’io orinasa io, fa nahaloa vidin-jiro sy nahafeno ny fepetra, toy ny fangatahana fahazoan-dalana ara-tontolo iainana, saingy iniana tsy raharahiana. Havahana manokana mihitsy i Marc Ravalomanana mba handotoana manokana ny dosieny na maro aza ny orinasa tsy manana fahazoan-dalana hisokatra sy tsy mahaloa hetra eto. Hitondra filaminana eto amin’ny firenena ve ny fanenjehana totoafo sy ny fitadiavana lalana amban’ny tany tsy hahafahan’i Marc Ravalomanana mirotsaka ? Ny azo antoka aloha dia efa nahalala sy niomana ny amin’izany izy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.