Tsy mora ny mikarakara fifidianana, hoy ny Me Hery Rakotomanana filohan’ny vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana (CENI) tany Mahajanga ny sabotsy teo nandritra ny fihaonany tamin’ireo tompon’andraiki-panjakana sy ny firaisamonim-pirenena tany an-toerana.
Adidintsika ny mikaroka ny fomba rehetra isorohana ny olana. Tsy azo ekena intsony ny hampijabaka ny firenena ao anatina krizy noho ny fifidianana tsy mangarahara. Teboka maro, noho izany, no nodinihana nandritra ny fihaonana tamin’ny fikambanamben’ny firaisamonim-pirenena sy ireo rantsamangaikan’ny CENI tao an-drenivohitr’i Boeny. Teo, ohatra, ny fahavitsian’ny olona mandeha mifidy miteraka tsy fahamarinan-toeran’ilay olona izay hitondra avy eo. Noresahana ihany koa ny fampianarana sy fanentanana ny olom-pirenena ny amin’ny maha zava-dehibe ny fifidianana izay hahafahana misoroka io tsy fandraisan’andraikitra amin’ny fandrotsaham-bato io. Mbola voaresaka manokana ihany koa ilay fahaleovantena tanteraka ho an’ny CENI sy ny fananany tetibola ampy sy mazava ary mivoaka ara-potoana fa tsy mitarazoka lava be noho ny fikarakarana antontan-taratasy. Misy akony ratsy amin’ny asa aman’andraikitra ny CENI anefa izany. Nampatsiahy ny filohan’ny CENI Hery Rakotomanana fa eny amin’ny fokontany rehetra manerana ny nosy amin’izao fotoana ny lisi-pifidianana ary manana adidy hanamarina ny anarany ao ny olom-pirenena feno taona mialoha ny 1 desambra. Izany no atao mba hahafahana manitsy avy hatrany ny lisitra satria mety misy ny anarana tsy tafiditra. Hita ho mihetsiketsika mafy ry zareo ao amin’ny vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana satria tsy te hanan-dratsy sy tsy te ho tompon’andraikitra amin’ny mety ho korontana ateraky ny olana noho ny lisi-pifidianana sy ny voka-pifidianana. Manindry mafy ny amin’ny tokony hanomezana azy fahaleovantena tanteraka ihany koa ny CENI isaky ny miresaka sy manao famelabelaran-kevitra. Tranga izay azo isintonana avy hatrany fa tsy mbola mahaleotena ity rafitra ity amin’izao fotoana, indrindra fa eo amin’ny tetibola ampiasaina.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.