Tsy takona afenina intsony ny laza ratsin’ireo mpanolotsaina akaiky ny filoha noho ny resaka afera maloto. Maro dia maro izy fa 3 no tena malaza fa tsy azo kitikitihina, ka na i Hery Rajaonarimampianina aza dia toa entin’izy ireo amin’ny sangany matoa tsy afaka manitsy azy ireo, na dia efa voahoso-potaka matetika aza.
Toa arakaraka ny laza ratsy ananany no vao mainka mampidingin-drambo azy ireo, ka tsy mahagaga raha « mafia » no hiantsoan’ny maro azy. Voalohany i Nicole Andrianaivoson, tratran’ny polisy frantsay nitondra volabe mitentina 3 tapitrisa Euros natao “bagage à main” nandritra ny COP21 ny volana desambra 2015. Tsy fanta-pototra ny nananan’ity ramatoa ity vola be toy izany ary nampanginina iny raharaha iny. Mbola voatonona tamin’ny fakana ireo gadra voarohirohy tamin’ny raharaha “kidnapping” an’i Arnaud sy Annie, zanaka mpandraharaha tany Toamasina ny taona 2015 izy. Faharoa i Mbola Rajaonah na i Mbola Tafaray, mpandraharaha amin’ny resaka fanondranana sy fanafarana entana any ivelany. Nandritra ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2013 dia voatonona fa anisan’ny nanatosoka vola be hampandaniana an-dRajaonarimampianina ny tenany, ka 21 miliara ariary no voalaza fa natokany tamin’izany. Malaza ratsy ho tompon’ny afera ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina izy. Tsy takona afenina ny lonilony eo aminy sy ny minisitry ny vola izay voalaza fa manembantsembana ny aferany, toy ny tsy famelana ny fampidirana kaontenera maro tsy handoavan-ketra izay nahavoatonona ny anaran’i Voahangy Rajaonarimampianina ihany koa, ka nivoahan’ny resaka fanalana ny minisitry ny vola Gérvais Rakotoarimanana. Nahatsangana haino aman-jery izy na dia milaza aza ny minisitera fa tsy misy famoahana “licence” ahafahana manokatra haino aman-jery, ary mihetraketraka ireo haino aman-jery hafa no tena ataony. Fahatelo i Claudine Razaimamonjy, tompon’ny hotely A&C. Mbola mitana ny sain’ny maro ny resa-bola 390 tapitrisa ariary tokony ho nampiasaina tamin’ny fananganana biraon’ny kaominina Ambohimahamasina, ka niakaran’ny ben’ny tanàna sy ny tompon’andraikitra iray tao amin’ny minisiteran’ny atitany fitsarana. Efa nandefasana fampiantsoana in-droa nisesy ny tenany noho ity raharaha ity saingy tsy nipoitra, ary mbola manao vava be ihany fa tsy azo kitikitihina noho ny fahefana sy ny vola ananany.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.