Politique

Hery Rajaonarimampianina Voahodidina Mafia


  • Alarobia 02 Martsa 2016

Raha nandeha ireo karazana trafikana boaderozy dia misy anarana manampahefana ambony voatonona. Teo ny fanondranana olona hiasa any amin’ireo tany Arabo, dia misy anarana manampahefana voatonona.

 

 Ny resaka fakana tanin’olona mba hanorenana trano mijoalajoala tsy fantatra na nahazo alalana ara-dalàna dia misy anarana olona ambony voatonona. Ny resaka fitrandrahana vato sarobidy any atsimo, avaratra atsinanana sy andrefan’ny nosy na ataona vahiny io na malagasy dia tsy maintsy andrenesana anarana olona ao anatin’ny fitondrana na fianakaviana mpitondra. Na ny resaka fakana an-keriny mitranga etsy sy eroa io aza dia andrenesana fa misy olona manana ny maha izy azy eto amin’ny firenena tafiditra aminy. Ny vola be mivoaka avy amin’ireo orinasa ananan’ny fanjakana petra-bola dia voalaza fa misy idiran’ireo manampahefana ambony eto amin’ny firenena. Efa samy mahafantatra izany avokoa ny olona any anaty fiarahamonina any fa samy mbola mangina aloha, mifampizara vaovao fotsiny. Ireo mpiara-miasa amintsika ihany koa dia mahalala tsara fa tena misy mpitondra ambony voasarangotra amina afera maizina sy tompondakan’ny kolikoly eto. Manaratsy endrika ny firenena Malagasy izany rehetra izany ary mahatonga ireo mpiara-miasa miahotra ny hampiasa vola eto. Voahodidina mafia sy jiolahy ambony latabatra ny filoha Hery Rajaonarimampianina, izay hita fa te hanao zavatra ihany saingy tsy lasa lavitra dia midona amin’ny rindrina. Ireo olona akaiky azy mihitsy mantsy no fanetriben’ny firenena.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT