Maharitra efatra andro be izao ny dian’ny mpitondra Malagasy any Angletera. Vontoatin’ny fivahinianana ny fanokafana indray ny masoivohon’i Madagasikara any an-toerana rehefa nikatona hatramin’ny taona 2011.
Maharitra efatra andro be izao ny dian’ny mpitondra Malagasy any Angletera. Vontoatin’ny fivahinianana ny fanokafana indray ny masoivohon’i Madagasikara any an-toerana rehefa nikatona hatramin’ny taona 2011. Naharitra roa taona be izao ny fiketrehana ny famerenana amin’ny laoniny io tontolon’ny fifandraisana ara-diplomatika amin-dry zareo Britanika io, raha tsiahivina ny -potoan’ny delegasionina Malagasy, hoy ny fampitam-baovao fanazavan’ny minisitry ny raharaham-bahiny teo aloha Attalah Béatrice. Manantena ny firoborobon’ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny fisian’ity masoivoho ao Londres ity moa ny fanjakana Malagasy, araka ny lahatenin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina. Tsy mbola voatendry anefa ny ambasadaoro vaovao ka mpiandraiki-draharaha hatreto no misahana ny fampandehanana azy. Feno tanteraka ihany koa ny fandaharamavy amin’ny fiadidiana ny Repoblika. Ao anatin’ny programa, ohatra, ny fihaonana amin’ireo tompon’andraikitra samihafa ara-ekonomika, politika ary diplomatika ao Grande Bretagne, araka ny fanampim-panazavana. Hatreto kosa dia tsy tafiditra na voaresaka ny mety ho fihaonan’ny filoha Malagasy amin’ny praiminisitra britanika Theresa May. Mampahatsiahy ny zava-nisy tany Berlin Alemana tamin’ny fandohan’ny volana jona 2017 teo izy ity. Tsy noraisin’ny Chancellière Angela Merkel ihany koa mantsy izy tamin’io
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.