Manelingelina ! Hihazo an’i Fianarantsoa ny delegasiona tarihin’ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina anio
Io no fitsidihana ofisialy voalohany hataony ao Matsiatra Ambony ka hihaonany amin’ny vahoakan’i Fianarantsoa taorian’ny nandraisany fahefana feno tamin’ny 25 janoary 2014 ary koa tapabolana taorian’ny nanesorana tamin’ny toerany ny filohan’ny delegasiona manokan’i Fianarantsoa, Pety Rakotoniaina. Efa nandrasana tao Fianarantsoa mantsy i Hery Rajaonarimampianina tamin’ny 14 jona, nanombohana ny fanentanana ofisialy ny famerenana an-tsekoly ireo zaza nitsoaka an-daharana. Mbola am-perinasa anefa i Pety tamin’io, ka dia navelany ho an’ny minisitry ny fanabeazana Paul Rabary tao ny raharaha, na dia nanao rodobe tany Fianarantsoa hanotrona aza ireo depiote notarihin’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Rakotomamonjy Jean Max. Amin’izao dia totoafo ny dokambarotra amin’ny haino aman-jerim-panjakana fampahafantarana ity fitsidihana ity. Tahotra ny tsy hahafeno ny kianjan’Ampasambazaha sa hatao mba hamafana tanteraka ny tandindon’i Pety tao Fianarantsoa ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.