Politique

Hery Rajaonarimampianina Tsy nahazo olona tany Toliara


  • Alatsinainy 18 Desambra 2017

Mirifatra tsy tana intsony ny filoham-pirenena amin’ny propagandy mialoha ny fotoana sarontsaronana amin’ny fitokanana zava-bita na fametrahana vato fehizoro fanombohana asa.

 vita ny teo Andohatapenaka dia nitodi-doha nianatsimo ingahy filoha, natao aloha ny fitokanana toeram-pamokarana herinaratra sy biraon’ny kaominina tany Toliara II, avy eo niakatra ville tao Toliara I indray. Anton-dia tao ny fitokanana ny asa fanamboarana natao tamin’ny jardin de la mer, eo koa ny fitokanana ny toeram-pivarotan-trondro vaovao ao Mahavatsy II ary fandefasana ny Télévision Terrestre Numérique ho an’i Toliara izay nifanindran-dalana tamin’ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny televiziona Malagasy nanaovana fety be tany an-toerana. Nanome « décodeurs » miisa 200 ho an’ny mponina any an-toerana ny filoham-pirenena ary nanolotra émetteur manana tanjaka 1000W ihany koa ho an’ny RNM sy TVM faritra Atsimo Andrefana. Efa tafiditra ao anatin’ny asa fampandrosoana i Toliara, hoy i Hery Rajaonarimampianina raha nikabary manolona ny olona tao Toliara, izay hita fa vitsy izy ny sabotsy teo…tahaka ireny efa mihaino kabarina propagandy ireny mihitsy fa dia fampanantenana re izao. Vita tokoa ny fotodrafitrasa, saingy mbola noana sy mitaintaina izahay, noho ny tsy fahantrana sy ny tsy fisian’ny fandriampahalemana, hoy ireo mponina ao Toliara ka tsy ny TNT no mahamaika amin’izao fotoana. Efa nampanantena hamaha ny olan’ny rano fisotro madio any atsimo ny filoham-pirenena, voaresaka hatramin’ny hoe  asiana fantsona goavambe hitatitra sy hizara rano. Aiza izao io tetikasa io ? Azo itarafana tsara ny fihenan’ny fitiavan’ny vahoakan’i Toliara an’ingahy filoha ny fahavitsian’ny olona nandritra ny diany tany ny faran’ny herinandro teo, na tao Toliara I io na Toliara II ary dia nitandrina tsara ny fomba fakana ny sary moa ny mpiasan’ny haino aman-jerim-panjakana mba tsy ho hita ny babangoana. Vao tamin’ny volana jona anefa no nisekoseko ny HVM fa mahazaka vahoaka an’arivony tao Toliara; enim-bolana aty aoriana niova tanteraka ny sary.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT