Politique

Hery Rajaonarimampianina Tsy miraharaha ny any Atsimo


  • Alatsinainy 22 Febroary 2016

Nibaribary indray ny faran’ny herinandro teo ny tsy fahaizan’ny fitondrana HVM mametraka ny laharam-pahamehana amin’ny fitantanana ny firenena.

 

 Nofaranana tany Ambovombe Androy ny sabotsy 20 febroary teo ilay atrikasam-pirenena momba ny fikatsaham-bahaolana maharitra amin’ny kere, naleon’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina anefa nitsidika ny orinasa Fanalamanga tany Moramanga tamin’io sabotsy io toa izay nanatrika ity fikaonan-doha ho famonjena ny mpiray tanindrazana any Atsimo ity.

Tsy fahaiza-mitantana ve sa tsy fahalalana sa kitoatoa tamin’ny fandaminana ny fandaharam-potoana sa tena tsy firaharahiana tsotra izao mihitsy no azo handikana izao fihetsiky ny filoham-pirenena izao ?  Izy izay manao tsianjery isaky ny mikabary fa raiamandrenin’ny Malagasy rehetra. Fanatreha-maso ny manjo azy ireo isan’andro no ilain’ny mponina any Atsimo, miampy fifampiresahana mivantana amin’ny mpitondra fanjakana fa tsy fizarana vary sy voamaina isaky ny mihetsika. Fantatra fa hatolotra ny filoham-pirenena sy ireo mpiara-miombon’antoka sy mpamatsy vola an’i Madagasikara ny fehin-kevitra nandritra ity atrikasa ity ary nanaiky ampahibemaso ireo minisitera 12 fa hanatanteraka ny asa tandrify azy ireo tsirairay mba ho fandresena ny kere. Tafiditra ao anatin’ny fehin-kevitra nivoaka ny sabotsy teo moa ny famatsiana rano ny faritra Atsimo amin’ny alalan’ny fananganana tohodrano sy fitarihan-drano amin’ny fantsona lehibe miainga avy any Efaho, Benamba, Menarandra, Mandrare ary Manambovo. Eo ihany koa ny fananganana fotodrafitrasa hahafahan’ireo mponina miasa sy mitady vola ary ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-6 sy faha-13 ary faha-17 mba tsy hampitoka-monina iny faritra atsimon’ny nosy iny. Efa malaza hatry ny ela moa fa tena voafahan-dalitra sy tsy mahazo ny vaovao rehetra tokony sy tsy maintsy azony ny filoham-pirenena, ka izay angamba no mety ho antony mahatonga ny fanapahan-keviny ho sampontsampona sy tsy araka ny tokony ho izy indraindray. Efa tena azo oharina tamin’ny tondra-drano teto Antananarivo tamin’ny janoary sy febroary 2015 izao kere any Atsimo izao satria mihatra aman’aina, saingy mbola sahin’i Hery Rajaonarimampianina mody fanina amin’ny fahoriam-bahoaka any Atsimo ka nitsangantsangana nijery alan-kesika tany Moramanga.


RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT