Politique

Hery Rajaonarimampianina Tsy manana fandaharanasa mazava ?


  • Talata 01 Jolay 2014

Efa ho enim-bolana izao no naha filoham-pirenena an’i Hery Rajaonarimampianina. Nisinisy ihany ny fivoahana efa nataony tany ivelany.....

Nambarany fa manga ny lanitra, resy lahatra ireo firenen-dehibe, hatomboka ny fampandrosoana …. Raha ny hita anefa dia tsy manana drafitra mazava entina hampandrosoana an’i Madagasikara ny fanjakana. Ny tokony ho izy dia miainga amin’ny filan’ny vahoaka sy ny laharam-pahamehana eo anivon’ny firenena iray no entina andrafetana izany drafitra izany  ary  eo no hijerena izay tanjona hotratrarina. Amin’izao fotoana anefa dia toa mionona fotsiny amin’ilay politika ankapoben’ny fanjakana ny mpitondra ka tsy voafaritra mazava ao ny tena mahamaika ny firenena, ny minisitera isan-tokony tsy hita mazava ny tena fandaharanasa fototra. Matoa ireo mpamatsy vola mbola somary mihazoazo dia misy antony ao. Tsy tena mazava manko ary tsy hita mivaingana ny vola fanampiana omena ny fanjakana mivantana taorian’ireo dia lavareny tany ivelany ireny. Mbola ireo fanampiana amin’ny maha olona no betsaka. Ny kabary sy fampanantenana maro samihafa entina mapandry adrisa ny vahoaka anefa dia manana drafitra tsara rindra sy lamina maty paika ny fanjakana. Ny filoha teo aloha nifandimby ka voafidy ara-dalàna anefa dia samy manana io drafi-pampandrosoana io avokoa, toy ny Boky Mena sy ny DSRP  (Document Stratégique pour la Réduction de la Pauvreté) an’ny filoha Didier Ratsiraka izay samy nampihaiky sy naharesy lahatra ireo mpamatsy vola avy hatrany. Ny MAP (Madagasikara Am-Perinasa) an’ny filoha Marc Ravalomanana ... Raha iverenana ny kabarin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina nandritra ny fetim-pirenena teo dia azo lazaina fa tsy dia rototra firy amin’ny fasahiranana iainan’ny vahoaka izy ary  nanambara mazava fa « tsy izay rehetra mihazakazaka no tody hatramin’ny farany, fa izay mandeha tsy an-kijanona ». Sao sanatria ho fahantrana lalina sy firenena latsaka an-kady ilay tanjona tsy hijanona ! Am-bava homana am-po mieritreritra.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT