Politique

Hery Rajaonarimampianina Tsy mahatanty fanakianana ?


  • Talata 26 Janoary 2016

Izay mangina volamena, hoy ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina raha nitokana ny kianja mitafo nasiam-panavaozana tany Mahajanga ny tenany.

 

Ny asa ihany no ifampitsarana ary tokony hieritreritra tsara raha hiteny, hoy izy. Raha te ho volamena ireo mpampiantra eny amin’ny anjerimanontolo ao Toliara izay te hitaky ny zony dia tokony hangina fa tsy hiloa-bava ? Na efa halohalika aza ve ny ranom-bary noho ny afitsoky ny loza voajanahary amin’ny fiakaran’ny rano sy ny hain-tany isam-paritra dia tokony hangina hatrany fa satria volamena ? Raha mitaraina ary ve izany ny vahoaka noho ny fahantrana sy ny fahoriana dia lazaina fa mpanohariana sy mitsivalam-pandry ? Tsy misy olona mahita fifaliana amin’ny fanenjehana be fahatany izany fa ny zava-misy no tsy azo afenina. Natao angoatenda ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-9 mampitohy an’i Toliara sy Morombe ohatra kanefa ankehitriny na ny banky afrikanina izay namatsy vola ny fanamboarana io lalana io aza atahorana hiraviravy tanana noho ny fahataran’ny asa. Tsy resahana intsony ilay resabe fampanantenana hoe ho foanana ao anatin’ny telo ka hatramin’ny enim-bolana ny delestazy. Roa taona ihany izay no lasa fa niampy rano maloto amin’ny paompy indray ny delestazy. Nahoana no tsy hiteny ny olona ?

 

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT