Nisongadina teo amin’ny sehatry ny filazam-baovao sy ny resaka tetsy sy teroa tamin’ity herinandro ity ny zanaka lahin’ny filoham-pirenena Mathieu Rajaonarimampianina izay voatonontonona tao anatin’ilay savorovoro tamin’ny kariera tany Ankoraoka Anjozorobe.
Tsy vao izao fa efa hatry ny ela no voaresaka anatina aferafera ity zanaky ny filoham-pirenena ity. Mialoha izao dia efa nisy rahalahin’ny filoha ihany koa voatonona tao anatina raharaha ary mbola resaka olana amin’ny fitrandrahana vao sarobidy ihany koa. An-kilan’izay hatramin’ny naha filoha an’i Hery Rajaonarimampianina dia nalaza fa manana fahefana goavana ao an-dapa ao Ramatoa vadiny Voahangy Rajaonarimampianina. Tsy misy moa ny fampitam-baovao ofisialy fa raha ny fantatra dia vadin’ny filoha faharoa i Voahangy Rajaonarimampianina ary tamin’ny 2013 mialoha kelin’ny fifidianana filoham-pirenena no nisora-panambadiana izy ireo. Ny tatitra nataon’ny Afrik.com tamin’ny 3 febroary 2014 no nahafantarana fa efa manan-janaka 5 Rtoa Voahangy Rajaonarimampianina. Ny filoham-pirenena kosa ny hany fantatra aloha hatreto dia manan-janaka mianadahy izy tamin’ny vadiny voalohany ka anisan’izany Rakotoarimanana Matthieu Minotahiana. Betsaka ny resaka mandeha momba ity zanaka lahin’ny filoha ity sy ramatoa vadiny, ity farany izay araka ny tsilian-tsofina re dia tena fanateran’ireo olona te hotendrena mpiasam-panjakana ambony dosie ary tena manana ny teniny amin’ny fanapahan-kevitra eto amin’ny firenena. Re fa i Voahangy Rajaonarimampianina no tena nandresy lahatra ny vadiny mba hanifika tanteraka an’i Andry Rajoelina sy ny Mapar. Izany no mahatonga ny olona hiresaka fa tena tsy voafehin’ny filoham-pirenena ny fianakaviany akaiky, ary ireo ihany any aoriana any no hiteraka olana goavana ho azy ary tena mety hanimba azy tanteraka.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.