Tsy mandeha amin’ny laoniny hatramin’izao ny raharaham-pirenena, hoy ny fikambanan’ny Vondron’Olon-Tsotra.
Mikorontana ambony ambany mantsy ny zava-misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Tompon’andraikitra voalohany amin’ny tsy fisian’ny filaminana eny anivon’ny fiarahamonina Malagasy amin’izao fotoana izao rahateo ny mpitondra fanjakana, araka ny fanamarihan’ny filohany Ravaonirina Sarah Zoé. Tranga misongadina, ohatra, ny fanakanana amin’ny fomba an-kolaka isan-karazany ny fanokafana ny orinasa Tiko arahina ny ramatahora sy fandrahonana samihafa. Mbola manaporofo izany rahateo ny zava-nisy farany mampalahelo ampahibemaso niseho tao amin’ny seranam-piaramanidin’i Toliara nanjo ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc. Tsy manaitra firy intsony loatra anefa ny fifanoherana amin’ny ambaran’ny vavan’ny manampahefana Malagasy sy ny fomba fihetsika tsy matotra amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana. Tsy mitsahatra miantso fitoniana sy firaisankina hatrany ny filohan’ny Repoblika saingy very anjavona sy tsy hita popoka intsony ny fampihavanam-pirenena an-daniny. Manohy ny fihantsiana kosa an-kilany ireo mpiara-miasa akaiky aminy. Tsy to teny sady tsy ankatoavin’ireo tompon’andraiki-panjakana eo ambany fifehezany mihitsy ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery, araka ny fanehoan-kevitry ny VOT.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.