Politique

Hery Rajaonarimampianina Tsy arakaraky ny diplaoma azo ny asa vita


  • Alatsinainy 05 Martsa 2018

Toy ny tany Italie ny volana oktobra 2017 nahazoana ilay diploma “Honoris Causa” niteraka resabe, dia notoloran’ny oniversite Rudn any Rosia io mari-pahaizana io indray ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ny zoma 2 martsa lasa teo.

Nitombo indray izany ny haja amam-boninahitry ny filoham-pirenena Malagasy, saingy indrisy fa tsy arakaraka izany kosa ny fomba fitantanany ny firenena. Tsy misy zavatra mandeha amin’izay laoniny fa mikorotan-dava, tsy milamina ny tany ama-monina. Ny resaka famahana ny olam-bahoaka moa, dia fampanantenana poakaty no betsaka. Raha ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao no dinihina, dia maneso ny filoham-pirenena ny zava-drehetra. Manampahaizana manokana momba ny fikirakirana sy ny fanaraha-maso ny vola ny filohantsika, saingy indrisy fa tsy arakaraka izay ny zava-misy eto amin’ny firenena. Mandeha ny fahadisoana goavana momba ny sora-bola mikasika tsenan’asam-panjakana dia vitavita ho azy. Misy ny kolikoly ara-bola avo lenta ataon’ny olona akaiky ao an-dapa, toy ny raharaha mahasaringotra ny mpanolotsain’ny filoha Claudine Razaimamonjy, dia milamina sy tsy misy resaka matoa tsy nisy tohiny intsony. Ny olona efa enjehina noho ny kolikoly aza mbola sahy mirehareha sy manao rahom-bava, fa izy ireo izao no eo amin’ny fitondrana. Raha aravona ny zava-misy, dia vao mainka maneso ny filoha ankehitriny ny fanomezana azy diplaoma sy anaram-boninahitra isan-karazany.  Ny anaram-boninahitry ny tsy fahombiazana ny kolikoly, ny afera maloto,… sisa no mila hasalotra ny filohantsika satria izay no nanamarika ny fitantanany ny fanjakana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT