Politique

Hery Rajaonarimampianina “Tsy ampy ny tia tanindrazana eto”


  • Alarobia 30 Martsa 2016

Nampahatsiahy ny fampanantenana nataon'ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina azy ireo tamin'ny taona lasa 2015 ny filohan'ny bekotro maro holatra ao Moramanga

 

, Rakotomalala Raymond, dia ny mba hampitomboana ny vola fanampiana raisin’izy ireo amin’izao fotoana kely sisa iainan’izy ireo izao. Nangataka ihany koa ny hahatonga an'i Moramanga ho renivohitry ny Faritra Mangoro fa ity farany no novalian’ny filoha hoe « efa renivohitry ny tolona i Moramanga fa fampandrosoana  no tadiavina, fa hojerena akaiky kosa ny fangatahana tamin'ny taona lasa ».

Niantso ny Malagasy rehetra hitambatra sy hiray hina ny filoha fa izay no fitiavan-tanindrazana tena izy fa tsy mety intsony ny fizarazarana, hoy izy. Ny fanaovana kolikoly sy ny fitsitokotokoana, hoy ihany izy, dia marika fa tsy ampy olona tia tanindrazana eto Madagasikara.

Mety nanaitra ny filoha ny fahavitsian’ny mpanatrika tamin'ity taona ity tsy toy izay lasa rehetra izay. Na ny sainam-pirenena aza tsy hita nihofahofa tamin’ny tranon’ny olona tao Moramanga, toy ny fahita isan-taona rehefa 29 martsa toy izao.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT