Hery Rajaonarimampianina tao Ambatondrazaka

> Nampiasaina ny fiaram-panjakana, nohetsehina ny mpiasan’ny Faritra


  • Zoma 20 Septambra 2013

Miseho lany ny tsy fanarahan-dalŕna ! Tsy vitan’izay efa mangalatra “départ” fa dia mbola mampiasa fitaovam-panjakana sy olom-panjakana ny kandida Hery Rajaonarimampianina raha ny zavatra hita tao Ambatondrazaka omaly.

Fisehoana voalohany tany Alaotra ny azy io amin’ny maha kandida azy. Asa na mbola nisy mpiasa ihany tao amin’ny Biraon’ny Faritra nandritra ny fotoana nahatongavany tao satria ny mpiasa nizara t.shirt, ny Sekretera jeneralin’ny Faritra Alaotra Mangoro tsy niafina fa dia niseho vatana mitsena ny kandida ary koa niatrana teny ambony lapihazo miaraka amin’i Hery Rajaonarimampianina. Ny fiaram-panjakana, Toyota 4x4 pick-up, ampiasain’ny Faritra moa amin’izany natao mpisava lalana ny tanjozotran’ny fiara nitondra ny kandida Hery Rajaonarimampianina avy any amin’ny seranam-piaramanidina nipaka tao Betanimena namoriana olona. Nialoha io dia tompon’andraikitry ny harofenitry ny Faritra no mizara fanasana amin’ny mpiasam-panjakana, ary voakasika manokana ireo sampandraharaha miankina amin’ny ministeran’ny vola… tranga vitsivitsy ireo azo hanaporofoana fa dia mitanila ny fitantanan-draharaham-panjakana amin’izao fiatrehana ny fifidianana izao. Ny mahagaga dia samy mangina tsy misy manameloka izany ny rehetra, mijery maso fotsiny koa ny CENI-T.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT