Fahasahiana goavana ! Samy tsy eto Madagasikara ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra lehiben’ny governemanta. Matetika mihitsy tao anatin’izay efa-bolana nandraisany fitondrana izay ny fivoahan’ny filoham-pirenena tany ivelany.
Tamin’ity indray mitoraka ity dia ny lehiben’ny mpanatanteraka mihitsy no samy tsy eto an-toerana. Efa matoky an’i Zandrikely angamba izy ireo fa tsy haditra intsony. Sa izay no nanomezana maimaika ireo 4x4 miisa 145 ho an’ny mpitandro ny filaminana ? Lasa any Afrika Atsimo hatry ny omaly mantsy ny filoha Hery Rajaonarimampianina mivady sy ny minisitry ny raharaham-bahiny Razafitrimo Lala Arisoa, fa hoe voaasa hamonjy ny lanonana fametrahana amin’ny toerany ny filoha Afrikanina tatsimo Zacob Zuma, izay voafidy indray, ny alarobia 21 mey teo, hitantana an’i Afrika Atsimo mandritra ny 5 taona manaraka. Mifarana koa moa ny herinandro ka dia mety mitohy fialantsasatra kely any ivelany any izany ny dian’izy ireo.
Mbola any Soisa ary tsy hipody an-tanindrazana raha tsy amin’ny 27 mey kosa ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Kolo Roger. Eto an-toerana anefa mafampana ny toe-draharaha. Nitokona nandritra ny roa andro ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka eny amin’ny anjerimanontolo na SECES mitaky ny handoavan’ny fanjakana ny vola mifanaraka amin’ny ora fanampiny nampianaran’izy ireo. Any atsimo dia mifamono ny samy Malagasy, mirongatra ny halatra omby, tsy voafehy ny valala. Mangina ny mpitondra manoloana ny fandrodanana trano natao sy fitrongisana volin’olona sesilany tamin’ity herinandro ity. Misy fitaovam-piadiana maro nampidirina an-tsokosoko, tsy miato ny fanondranana andramena… Tsy henon’ny mpitondra ve ireny sa odiany fanina tsy jerena no mangina tsy andrenesam-peo izy ireo ? Izao aza moa vao mainka nilaozan’izy ireo any ivelany any ny olan’ny Malagasy. Tsy laharam-pahamehana e !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.