Politique

Hery Rajaonarimampianina Nomen’ny Vondrona Afrikanina toerana ambony


  • Alakamisy 20 Febroary 2020

Notendren’ny Vondrona Afrikanina hitarika iraka fanaraha-maso ny fifidianana filoham-pirenena any Togo ny filoha Malagasy teo aloha Hery Rajaonarimampianina.

 

 

 Ny sabotsy 22 febroary 2020 izao no hotanterahina ny fifidianana any an-toerana. Izy no notendren’ny filohan’ny Vaomiera Afrikanina Moussa Faki Mahamat ho lehiben’ny MOEUA (Mission d’Observation Electorale) izay iraka mpanaramaso io fifidianana io, ka efapolo ny mpikambana mandrafitra ny delegasiona, ahitana ambasadaoro miasa eo anivon’ny Vondrona Afrikana, Parlemantera, rafitra mpikarakara fifidianana, fiarahamonim-pirenena ary ivontoerana akademika afrikanina. Aorian’ny 22 febroary no hanao momba ny zotram-pifidianana any an-toerana io MOEUA io. Tsy tongatonga ho azy ny fanendrena tahaka izao fa misy mason-tsivana maro. Heverina fa antony iray nisadianana azy ny fahaiza-manao sy ny sata naha filoha Malagasy teo aloha azy. Tsy tahaka ny fahita any amin’ny firenen-kafa no niseho tamin’ny fifidianana teto Madagasikara, fa nanaiky niala tsotra tsy nisy ra mandriaka ny fanjakana notarihiny taorian’ny fifidianana filoha ny taona 2018. Tsy vao izao ihany koa no nahitana ny tenany fa efa somary hitahita tamin’ny sehatra Afrikanina, toy ny fandraisany anjara tamina fihaonana lehibe “African Leadership Forum” ny volana jolay 2019, niresahana ny fampiroboroboana sy ny fahaiza-mitantana ny harena voajanahary ho fanoitra amin’ny fampivoarana ara-tsosialy sy ara-toekarena aty Afrika. Mazava io fa manana ny toerany ao anatin’ny Vondrona Afrikanina izany i Hery Rajaonarimampianina taorian’ny tsy naha filoha Malagasy azy intsony.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT