Politique

Hery Rajaonarimampianina Nohampangain’ny vava be nataony


  • Talata 02 Janoary 2018

« Porofoy amiko, fa mahantra ny Malagasy », hoy ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina tany aloha tany. Fanompana sy fanesoana tsotra izao no nandraisan’ny rehetra izany, kanefa tsy mba nahatsapa tena ho nanana fahadisoana tamin’iny teniny iny ny Filoha Malagasy, ka fady azy izany niala tsiny izany. Izay tokoa angamba ilay hoe ny lehibe tsy mba meloka, araka ny fomba fitenin’ny Malagasy. Raha mbola mila porofo hafa ny fanjakana Rajaonarimampianina dia 97,7% ny tahan’ny fahantrana eto Madagasikara amin’izao fotoana izao, hoy ny mpampianatra toekarena iray eny amin’ny anjerimanontolo.

Ankehitriny anefa toa fatoran’ny teny nataony ingahy filoha satria tsy mila porofoina aminy intsony ny fahantran’ny vahoaka Malagasy, izay toa hararaotiny sy ataony fitaovana amin’izao ankatoky ny fifidianana izao. Raikitra ny fidinana eny ambany tanàna amin’ny fizarazaran-javatra, ka ny herinandro teo no nanaovana bemidina teny La Réunion kely. Nitohy teny amin’ny tionelina Ambohidahy, Ambanidia, Tsiazotafo, Anosy, Antohomadinika, izany ny takarivan’ny sabotsy teo, ka nizarana zavatra, toy ny sakafo ireo fadiranovana sy tsy manan-kialofana antsoin’ny rehetra amin’ny hoe “4mi” izany. Taiza izany hatramin’izay no tsy natao, ary angaha ny Malagasy mahantra indray ? Sa kosa tsy Malagasy ireny olona fadiranovana ezahina alaina ireny ny fony amin’izao fotoana izao? Nambara fa hisy ny fitadiavana vahaolana maharitra, fa taiza no tsy natao izany hatramin’izay? Tsy ilay mizara zavatra sy mampanantena ny olona no ratsy ary zara aza misy an’izany. Ny mampalahelo anefa dia ny hevi-petsy ao ambadika, izay maro no mitsara avy hatrany hoe akaiky ny fifidianana, ka dia ampiakarina kely aloha ny hafainganam-pandehan’ny fanaovana zavatra tahaka izany, raha tsy mba nisy tany aloha. Azo adika hoe fanaovana fitaovana sy fanararaotana tsotr’izao ny fahantran’ny Malagasy. Zavatra efa tokony nataon’ny mpitondra hatramin’izay rahateo izany, ary tsy hilana fizahozahoana hoe manao zavatra satria adidiny izany. Tsy ampahafirin’ny fanesoana vahoaka amin’ny hanim-pitoloha handaniana vola be an-tapitrisany maro be eny Iavoloha amin’ny 05 janoary rahateo ireny fizaran-tsakafo ireny, toa mifono fiatsarambelatsihy ireny, saingy tsy mba menatra ny amin’izany ny mpitondra.

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT